Izahay namoaka Zakatol-Fitr tamin'ny fotoana nahateo an'ny Mpaminany (S.A.W) ka voadidy hamoaka izany avokoa ny zaza sy ny olon-dehibe, olona tsotra na andevo, swaa amin'ny sakafo na swaa amin'ny varim_bazaha na swaa amin'ny voaloboka na swaa amin'ny atrendry

Izahay namoaka Zakatol-Fitr tamin'ny fotoana nahateo an'ny Mpaminany (S.A.W) ka voadidy hamoaka izany avokoa ny zaza sy ny olon-dehibe, olona tsotra na andevo, swaa amin'ny sakafo na swaa amin'ny varim_bazaha na swaa amin'ny voaloboka na swaa amin'ny atrendry

Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) niteny izy : Izahay namoaka Zakatol-Fitr tamin'ny fotoana nahateo an'ny Mpaminany (S.A.W) ka voadidy hamoaka izany avokoa ny zaza sy ny olon-dehibe, olona tsotra na andevo, swaa amin'ny sakafo na swaa amin'ny varim_bazaha na swaa amin'ny voaloboka na swaa amin'ny atrendry, ka tsy nijanona namoaka izany izahay mandram-pahatongavan'i Moawiyah bin Abi Sofyan (R.A) nanao Hajj na Omra teo aminay, ka niresaka tamin’ny olona teo amin’ny polipitra izy, ary tamin’ny fotoana niresahany tamin’ny olona no nilazany hoe : “Izaho mahita fa ny felatànana roa amin'ireo olona any samra Shami mitovy saa amin'ny atrendry, dia nanaraka izany ny olona. Dia hoy i Abo Sa'id : Fa izaho kosa dia mijanona mamoaka izany tahaky ny namoahako azy teo aloha raha mbola miaina eto an-tany".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Ny mpino silamo teo aloha dia namoaka ny Zakatoul-Fitr tamin'ny andron'ny Mpaminany sy ny andron'ny Kalifa taoriany, amin'ny tanora sy ny antitra fatran'ny swaa amin'ny sakafo. Ary ny sakafon'izy ireo dia vary sy voaloboka : voaloboka maina, ary aqt: ronono maina sy atrendry. Ny habetsahan'ny saa dia efatra Modd, ary ny modd dia mitovy amin'ny fahafenoan'ny felatan'ny lehilahy antonony. Rehefa tonga tao Madina i Moawiyah (R.A) ary izy no mpitondra tamin'izany, ka nihamaro varimbaza tao Shami, dia nitsangana niresaka tamin'ny olona dia niteny hoe : Izaho mahita fa ny modd roa amin'ny varimbazaha avy ao Chami (antsasaky ny saa), mitovy amin'ny saa amin'ny atrendry, ka nandray izany avokoa ny olona rehetra. Hoy I Abou Saad Al-Khodri (R.A) hoe : Raha ny amiko, dia mbola hanohy ny fandoavana izany aho tahaka ny nandoavako azy tamin'ny andron'ny Mpaminany, raha mbola velona aho.

فوائد الحديث

Fanazavana ny fatran’ny Zakat al-Fitr tamin’ny andron’ny Mpaminany, saa’ amin'ny sakafo, na dia samy hafa aza ny karazany sy ny vidiny.

Ny sakafo rehetra ho an'ny olombelona dia ampy araka ny natiora, fa ireo karazany efatra dia voalaza manokana. Satria io no sakafon'ny olona tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W).

Ny famoahana ankoatry ny sakafo toy ny vola dia tsy mifanaraka amin'ny voajanahary.

Hoy i Al-Nawawi, mifototra amin'ny fanazavan'ny Moslim : Raha tsy mitovy hevitra ny mpanaradia, dia tsy azo raisina ny tenin'iray amin'izy ireo tsara noho ny hafa, ka miverina amin'ny porofo iray hafa isika, dia hita ny hevitr'ireo hadith sy ny fanoharana mifanaraka amin'ny fepetra amin'ny saa' varimbazaha toy ny hafa rehetra, ka tsy maintsy ianteherana.

Ibn Hajar dia nilaza hoe : Ao amin'ny hadith-n'i Abo Saad dia nanenjana tokoa izy tamin'ny fanarahana sy ny fifikirana amin'ny voalazan'ireo teo aloha, ary ny tsy fanaovana fikarohana (ijtihad) eo anatrehan'ny lahatsoratra, ary amin'ny fihetsik'i Mowawiah sy ny fankatoavan'ny olona dia misy fanehoana ny maha itokiana ny ijtihad, ary mendri-piderana izany, fa raha eo anatrehan'ny lahatsoratra dia tsy manan-kery.

التصنيفات

Ny zakatoul-fitri