إعدادات العرض
Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako
Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny manao hoe : Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî සිංහල Nederlands অসমীয়া Tiếng Việt Kiswahili ગુજરાતી پښتو አማርኛ Oromoo ไทย Română മലയാളം नेपाली Deutsch Кыргызча తెలుగుالشرح
Milaza i Abo Horaira (R.A) fa ny sakaizany dia ny Mpaminany (S.A.W) dia nanoro hevitra azy sy nanome azy zavatra telo ireto: Ny voalohany : fifehezana telo andro isam-bolana. Faharoa : Swalat roa raka'ah Doha isan'andro. Fahatelo : Swalat Witr alohan'ny hatoriana; Izany dia ho an'ireo izay matahotra ny tsy hifoha amin'ny faran'ny alina.فوائد الحديث
Ny fahasamihafan'ny hafatry ny Mpaminany (S.A.W) amin'ireo mpiara-dia aminy : Izany dia mifototra amin'ny fahalalan'ny Mpaminany (S.A.W) ny toetry ny mpiara-dia aminy sy izay mety ho an'ny tsirairay amin'izy ireo, ka ny matanjaka dia mety amin'ny fanaovana jiady, ny mpivavaka dia mifanaraka aminy ny fanompoana, ny manam-pahalalana dia mifanaraka amin'ny fahalalana, sy tahaka izany hatrany.
Nilaza Ibn Hajar Al-Askalani tamin'ny teniny : Fifehezana telo andro isam-bolana, izay midika hoe andro fotsy; izy io dia : ny fahatelo ambin'ny folo, ny fahefatra ambin'ny folo, ary ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana Hijria.
Nilaza Ibn Hajar Al-Askalani hoe : Izany dia manondro ny famporisihana hanao Witr alohan'ny hatoriana, ary izany dia mihatra amin'ny olona tsy matoky tena amin'ny fifohazana.
Ny maha zava-dehibe ireo asa telo ireo : satria nanoro izany tamin'ny namany maromaro ny Mpaminany (S.A.W).
Hoy I Ibn Dakik al-Eid tao amin'ny teniny : (sy ny roa rakat amin'ny Doha) : Angamba izy nanonona ny kely indrindra misy eo aminy, ho fanamafisana amin'ny fanatanterahana azy, ary izany dia manondro ny hatsaran'ny vavaka Doha, ary ny kely indrindra dia roa rakat.
Ny fotoan'ny vavaka Doha : tokony ho ampahefakadiny aorian'ny fiposahan'ny masoandro, ary ny fotoanany dia mahatratra folo minitra alohan'ny mitataovovonana, ary ny isany : ny kely indrindra aminy dia roa rakat, saingy misy ny tsy fitovian-kevitra momba ny be indrindra; misy ny milaza hoe : Valo rakaat, ary voalaza koa hoe : Tsy misy fetra ny amin'ny fahabetsahany.
Fotoan'ny Witr : manomboka aorian'ny Swalat Isha ka hatramin'ny maraina mangiran-dratsy, izay kely indrindra dia rak'ah iray, ary ny fara-tampony dia iraika ambin'ny folo rak'ah.
التصنيفات
Ny fifehezana an-tsitrapo