إعدادات العرض
“Izay nanao "Ozo" ka nanao izany tsara, dia tonga namonjy vavaka Zoma ary nihaino sy nangina, dia ho voavela ny helony manoloana azy sy zoma ary telo andro fanampiny
“Izay nanao "Ozo" ka nanao izany tsara, dia tonga namonjy vavaka Zoma ary nihaino sy nangina, dia ho voavela ny helony manoloana azy sy zoma ary telo andro fanampiny
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Izay nanao "Ozo" ka nanao izany tsara, dia tonga namonjy vavaka Zoma ary nihaino sy nangina, dia ho voavela ny helony manoloana azy sy zoma ary telo andro fanampiny , ary izay mikasika ny vatokely dia nanafoana izany”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල አማርኛ অসমীয়া Kiswahili Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands پښتو नेपाली മലയാളം Svenska ไทย Кыргызча Română ಕನ್ನಡ Српски తెలుగు ქართული Mooreالشرح
Milaza ny Mpaminany (S.A.W), fa izay midio sy manao izany tsara amin'ny fanatanterahana ny andriny sy ny Sonnah ary ny fombafomba tsara eo aminy, avy eo tonga amin'ny vavaka zoma ary mangina sy mihaino ny mpitoriteny ary mangina tsy miresaka; dia avelan'I Allah ny helony madinika mandritra ny folo andro, manomboka amin’ny vavaka zoma ka hatramin’ny zoma faharoa sy ny telo andro fanampiny; Satria ny asa soa dia ampitomboina avo folo heny. Avy eo nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny tsy fiatrehan'ny fo ao amin'ny toriteny fananarana izay resahina, ary amin'ny tsy firaharahian'ny rantsam-batana amin'ny alàlan'ny fandraisana vatokely sy ny karazana lalao sy tsy fifantohana hafa, fa izay manao izany dia nanao tsirambina, ary izay manao tsirambina dia tsy mahazo anjara tanteraka amin’ny valisoa amin’ny soalat zoma.فوائد الحديث
Famporisina amin'ny fanaovana ozo sy ny famitana izany amin’ny fomba tsara, ary ny fifikirana amin'ny vavaka zoma.
Ny maha zava-dehibe ny vavaka zoma.
Takina ny fihainona tanteraka ny toriten'ny zoma, ary tsy tokony ho variana amin'ny resaka na zavatra hafa.
Raha misy manao tsirambina mandritry ny toriteny dia manankery ny vavaka zoma nataony ary manafoana ny vavaka tsy maintsy atao, miaraka amin'ny fihenan'ny valisoa.