“Tsy nipetrapetraka ny vahoaka iray tamin’ny fivoriana izay tsy nanononany n'y anaran’I Allah na tsy nivavaka ho an’ny mpaminaniny, afa-tsy hoe faty antoka ho azy ireo izany, ka raha sitrak'Allah dia ho saziny ary raha tiany dia hamela azy ireo Izy .”

“Tsy nipetrapetraka ny vahoaka iray tamin’ny fivoriana izay tsy nanononany n'y anaran’I Allah na tsy nivavaka ho an’ny mpaminaniny, afa-tsy hoe faty antoka ho azy ireo izany, ka raha sitrak'Allah dia ho saziny ary raha tiany dia hamela azy ireo Izy .”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy nipetrapetraka ny vahoaka iray tamin’ny fivoriana izay tsy nanononany n'y anaran’I Allah na tsy nivavaka ho an’ny mpaminaniny, afa-tsy hoe faty antoka ho azy ireo izany, ka raha sitrak'Allah dia ho saziny ary raha tiany dia hamela azy ireo Izy .”

[Mari-pototra]

الشرح

Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fanaovana tsirambina ny fahatsiarovana an’I Allah, ary tsy nisy olona nipetraka tao amin’ny fivoriana iray ka tsy niresaka momba an’I Allah Tsitoha, ary tsy nivavaka ho an’ny irak’Allah tao, afa-tsy hoe izany fivorina izany dia ho loharanon’ny fanenenana ho azy ireo, faty antoka, famoizam-po ary tsy fahampiana amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, raha sitrak'Allah, dia hanasazy azy ireo noho ny fahotany sy ny fahadisoany teo aloha, ary raha sitrany dia hamafa heloka azy ireo Izy noho ny fahasoavany sy ny famindram-pony.

فوائد الحديث

Famporisihana amin'ny fahatsiarovana an'I Allah sy ny fahasoavany.

Ny fahasoavan'ny fivoriana izay misy ny fahatsiarovana an'I Allah Tsitoha sy ny fahatsiarovana ny irak'Allah (S.A.W), ary ny fivoriana izay tsy ao anatin'izany dia famoriana fambara ratsy ho an'ny olony amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty.

Ny fampitandremana voalaza momba ny tsy firaharahiana ny fahatsiarovana an'I Allah dia tsy voafetra amin'ny fiaraha-mivory ihany, fa mihatra amin'ny hafa, hoy i Al-Nawawi manao hoe : Tsy tsara ny olona mipetraka amin'ny toerana iray ary miala amin'izany mialohan'ny fiderana an'I Allah.

Ny alahelo izay hanjo azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty : na amin’ny tsy fahampian’ny valisoa amin’ny tsy fanararaotana ny fotoana hankato an’I Allah, na amin’ny fahotana sy ny sazy noho ny fandanian’izy ireo ny fotoana amin’ny tsy fankatoavana an’I Allah.

Ity fampitandremana ity : Raha mikasika ny zavatra azo atao izany tsy fitandremana izany, dia ahoana ny amin'ny fivoriana voarara izay misy fanalam-baraka, fifosana, sns...?!

التصنيفات

Tonombavaka atao