Ny irak'Allah (S.A.W) no olona malala-tànana indrindra, ary tena hita ny fahalalan-tànany indrindra amin'ny Ramadany rehefa nihaona taminy i Jibril

Ny irak'Allah (S.A.W) no olona malala-tànana indrindra, ary tena hita ny fahalalan-tànany indrindra amin'ny Ramadany rehefa nihaona taminy i Jibril

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Àbbàs (R.A) niteny manao hoe : Ny irak'Allah (S.A.W) no olona malala-tànana indrindra, ary tena hita ny fahalalan-tànany indrindra amin'ny Ramadany rehefa nihaona taminy i Jibril, ary nihaona taminy isaky ny alin'ny Ramadany ka nampianatra azy ny Kor'any, fa ny irak'Allah (S.A.W) mizara fahasoavana kokoa noho ny rivotra mitsoka.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Ny Mpaminany (S.A.W) no nalala-tànana indrindra, ary tena nataony im-betsaka izany tamin'ny volana Ramadany, satria nanome izay tokony omeny tamin'izay tokony hahazo azy, ary ny antony mahatonga fahalalahan-tànany miampy betsaka dia noho ny antony roa : Ny voalohany : ny fihaonany amin’i Jibril (A.S). Ny faharoa hafa : ny fianarana ny Kor'any, dia ny famakina azy am-po. Ampianarin'i Jibril (A.S) azy daholo izay rehetra nidina ao amin'ny Kor'any, ary ny Mpaminany (S.A.W) no malala-tànana kokoa sy be fanomezana ary mpanao soa indrindra, ary haingana kokoa ny irak'Allah manasoa ny zavaboary mihoatry ny rivotra tsara izay alefan’Allah miaraka amin’ny ranonorana sy ny famindram-po.

فوائد الحديث

Fanazavana ny fahalalahan-tànan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fitiavany manampy ny hafa, indrindra amin'ny Ramadany, satria io no volana fankatoavana sy vanim-potoanan'ny asa soa.

Famporisihana amin'ny fahalan-tànana amin'ny fotoana rehetra, ary tsara ny mampitombo izany mandritra ny volana Ramadany.

Fampitomboana ny famoahana, ny fanomezana, ny fiantrana ary ny famakiana ny Kor'any mandritra ny volana Ramadany.

Iray amin'ireo antony hitahirizana ny fahalalana ny fifimpianarana izany miaraka amin'ireo mpianatra sy manam-pahaizana.

التصنيفات

Ny ramadany, Ny falàlan-tànan'ny Mpaminany (S.A.W)