إعدادات العرض
“Izay mamangy marary ka mbola tsy tonga ny fotoana hahafatesany, ka niteny impito ny Doan hoe : Mangataka amin’I Allah Tsitoha, Tompon’ny seza fiandrianana lehibe mba hanasitrana anao, Afa-tsy hoe sitranin'I Allah amin'izany aretina izany izy
“Izay mamangy marary ka mbola tsy tonga ny fotoana hahafatesany, ka niteny impito ny Doan hoe : Mangataka amin’I Allah Tsitoha, Tompon’ny seza fiandrianana lehibe mba hanasitrana anao, Afa-tsy hoe sitranin'I Allah amin'izany aretina izany izy
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mamangy marary ka mbola tsy tonga ny fotoana hahafatesany, ka niteny impito ny Doan hoe : Mangataka amin’I Allah Tsitoha, Tompon’ny seza fiandrianana lehibe mba hanasitrana anao, Afa-tsy hoe sitranin'I Allah amin'izany aretina izany izy".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी සිංහල Hausa Kurdî Português Kiswahili অসমীয়া Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ไทย Македонски తెలుగు मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy mpino silamo mitsidika silamo hafa mandritra ny fotoana naharariany izay tsy teo amin'ny fotoana nahafatesany. Avy eo mangataka ity ilay mpamangy hoe : (Mangataka amin'I Allah ilay lehibe indrindra) amin'ny Tenany sy ny toetrany ary ny fihetsiny, (Tompon’ny seza fiandrianana Lehibe, mba hanasitrana anao), ary naveriny impito taminy izany dia ho sitranin'I Allah amin'ilay aretina izy.فوائد الحديث
Amporisihina ny hivavaka ho an’ny marary amin’io Doan io, ary avereno impito.
Ny fahasitranana dia ho tanteraka ho an’izay nanaovana izany fitalahoana izany, raha sitrak’Allah Tsitoha, raha natao tamin-kitsimpo sy tamim-pahamarinana.
Ny fanaovana an'io fitalahoana io amin'ny feo ambany sy amin'ny feo avo dia azo atao avokoa izany rehetra izany, fa raha nampandrenesina ilay marary ny Doan dia izay no voalohany sy tsara kokoa, Satria mitondra fifaliana ho azy izany.
التصنيفات
Ny Roquia ara-dalàna