Izay Olona namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny

Izay Olona namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Izay Olona namaky litera iray ao amin'ny Koroany dia hahazo hasoavana amin'izany, ka ny hasoavana iray ho hampitombona folo avo heny fa Izaho kosa tsy hiteny hoe : {Alif, Lam, Mim} ho litera iray, fa ny {Alif} dia litera ary ny {Lam} dia litera ary ny {Mim} dia litera ihany koa".

[Tsara] [Notantarain'i Al-Tirmizì]

الشرح

Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny mpino tsirairay mamaky ny litera ao amin'ny bokin'Allah dia hahazo valisoa, ary hampitombona io valisaoa io hatramin'ny folo avo heny. Avy eo dia nanazava izy (S.W.A) amin'ny teniny manao hoe : (Tsy hiteny aho hoe : {Alif, Lam, Mim} litera iray, fa ny {Alif} dia raisina ho litera iray ary ny {Lam} ihany koa dia Litera iray ary ny {Mim} dia litera iray : Ka ny litera telo dia ho ho hahazoana valisoa telopolo.

فوائد الحديث

Famporisihana amin'ny famakiana im-betsaka ny boky masina Koroany.

Ho an'ny mpamaky tsirariay dia hahazo valisoa maro ary hohampitombona folo izany isaky ny andininy vakiany.

Ny haben’ny famindram-po sy ny fahalalahan-tànan’Allah, satria nampitomboiny ny valisoa ho an’ny mpanompony noho ny fahasoavany sy ny fahalalahan-tànany.

Ny fahamboniana ny CORAN noho ny teny hafa, ary entina manompo an'Allah ny famakiana azy; Izany dia satria tenin’Allah Tsitoha izy.

التصنيفات

Ny tombotsoan'ny fitandremana ny CORAN, Vkatsoan'ny Coran masina