إعدادات العرض
“Tsy misy na dia iray aza aminareo afa-tsy hoe hiresahan'I Allah mivantana, ary tsy misy mpandika teny
“Tsy misy na dia iray aza aminareo afa-tsy hoe hiresahan'I Allah mivantana, ary tsy misy mpandika teny
Tatitra azo avy tamin'i Adiy bin Hatim (R.A) niteny; niteny ny mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy na dia iray aza aminareo afa-tsy hoe hiresahan'I Allah mivantana, ary tsy misy mpandika teny, ka mijery ny ankavanany izy dia tsy hahitra afa-tsy natolony, ary mijery ny ankavia dia tsy hahita afa-tsy izay natolony, mijery eo anoloany dia tsy mahita afa-tsy ny Afo manatrika ny tavany, koa matahora ny Afo na dia antsasaky amin'ny atrendry aza.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tagalog Tiếng Việt Kurdî Português සිංහල Русский অসমীয়া Kiswahili አማርኛ ગુજરાતી Nederlands پښتو Hausa नेपाली ไทย മലയാളം Кыргызча Română Svenska Shqip Српски తెలుగుالشرح
Nampahafantarin'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino rehetra dia tsy maintsy hijoro irery eo anatrehan’I Allah amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary Allah Ilay Tsitoha dia hiresaka aminy tsy misy mpanelanelana, ary tsy misy mpandika teny eo anelanelan’izy roa ka handika ny teniny. Ka mitodika miankavanana sy miankavia izy noho ny tahotra mafy mba hahitany làlana hahavoavonjy azy amin’ny afo izay eo anoloany. Raha mijery ny ilany ankavanana izy dia tsy hahita afa-tsy ny asa soa nataony ihany, Raha mijery ny ilany ankavia izy dia tsy hahita afa-tsy ny asa ratsy nataony ihany, Raha mijery eo anoloany izy dia tsy mahita afa-tsy ny afo, ary tsy afaka miala amin'izany, satria tsy maintsy mandalo amin'ny tetezana izy. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Manàna ianao fiarovana eo aminao sy ny afo amin’ny alàlan'ny fanomezana sy asa soa, na dia amin’ny zavatra kely toy ny antsasaky ny atrendry aza.فوائد الحديث
Famporisihana amin'ny famoahana swadaka na dia kely aza, sy fanànana toetra tsara, ary fiaraha-miasa amin’ny fahatsorana sy ny teny malefaka.
Allah Ilay Tsitoha dia ho akaiky ny mpanompony amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, satria tsy hisy fisalobonana, tsy hisy mpanelanelana, ary tsy hisy mpandika teny eo amin’izy roa koa aoka ny mpino hitandrina amin’ny tsy fanarahana ny didin’ny Tompony.
Tsy tokony hanambany izay fanomezana navoakany ny olona iray, na dia kely aza, satria fiarovana amin’ny afobe izany.