Raha feno kollatainy ny rano dia tsy hitondra fahalotoana hoa azy

Raha feno kollatainy ny rano dia tsy hitondra fahalotoana hoa azy

Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Omar (R.A) niteny : Nanontaniana ny irak'Allah mahakasika ny rano sy izay mahasolo azy amin’ny biby ary ny bibidia miaraka aminy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha feno kollatainy ny rano dia tsy hitondra fahalotoana hoa azy."

[Mari-pototra]

الشرح

Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) momba fahadiovan'ny rano izay isotroan'ny biby sy ny bibidia sy ireo izay toy izany, dia hoy izy namaly : Raha ny habetsahan'ny rano dia mahatratra siny lehibe roa, izay mitovy amin'ny (210) litatra, dia voasokajy ho rano be dia be ka tsy maloto. Raha tsy hoe niova nohon’ny fahalotoana ny iray amin'ireo toetrany telo - loko, tsiro na fofona.

فوائد الحديث

Lasa maloto ny rano raha miova noho ny fahalotoana ny iray amin'ireo toetrany telo : ny lokony, ny tsirony, na ny fofony, ary ny Hadith dia milaza ny ankamaroany fa tsy famaritana.

Miara-manaiky ireo manampahaizana fa raha niovan'ny loto ny rano dia maloto tanteraka, na kely na be.

التصنيفات

Didy momba ny rano