إعدادات العرض
“Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”
“Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : “Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية Bosanski English فارسی Français Русский 中文 हिन्दी Bahasa Indonesia اردو Hausa Kurdî Português অসমীয়া Kiswahili Tagalog አማርኛ ગુજરાતી Tiếng Việt Nederlands සිංහල پښتو नेपाली ไทย മലയാളം Кыргызча Română Svenska తెలుగు ქართული Moore Türkçeالشرح
Nandrara ny fanompana ireo mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W), indrindra fa ireo nialoha làlana amin'izy ireo, avy amin'ireo mpifindra monina ny tompon-tanàna tao Madina; ary nilaza izy fa raha nanao fandanina volamena mitovy amin’ny tendrombohitr’i Ohod ny olona iray, dia tsy hitovy amin’ny valisoan’iray amin’ireo mpanaradia amin’ny alalan'ny famoahana sakafo rao-tanana iray na ny antsasany amin’izany– ny modd dia feno rano-tanana iray amin'ny lehilahy salasalany -; Izany dia noho ny fananan'izy ireo tombony amin'ny fahadiovam-po sy finiavana marina, sy fiandohan'izy ireo lalana tamin'ny famoahana ary ny ady masina talohan'ny nanokafana ny tanana'ny Makka, satria tena nilaina mafy izany.فوائد الحديث
Voarara ny manozona ny mpanara_dia - ho faly amin'izy ireo anie Allah - ary fahotana lehibe izany.
التصنيفات
Finoana ireo mpanaradia (R.A)