إعدادات العرض
"Ry Abbas, ry dadatoan'ilay Irak'Allah (S.A.W), angataho amin'I Allah ny fahasalamana eto an-tany sy ny any ankoatra
"Ry Abbas, ry dadatoan'ilay Irak'Allah (S.A.W), angataho amin'I Allah ny fahasalamana eto an-tany sy ny any ankoatra
Tatitra azo avy tamin'i Abbas bin Abdol-Mottalib (R.A) niteny izy : Hoy aho : Ry irak'Allah ô! Ampianaro zavatra iray aho izay hangatahako amin'I Allah. Hoy izy : “Angataho amin’I Allah ny fahasalamana”. Nijanona andro vitsivitsy aho dia avy eo niverina ka niteny hoe : Ry irak'I Allah ô! Ampianaro zavatra iray aho izay hangatahako amin'I Allah. Dia hoy izy tamiko : "Ry Abbas, ry dadatoan'ilay Irak'Allah (S.A.W), angataho amin'I Allah ny fahasalamana eto an-tany sy ny any ankoatra".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa മലയാളം Kurdî অসমীয়া Kiswahili አማርኛ Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands සිංහල پښتو ไทย नेपाली Кыргызча Svenska Română తెలుగు ქართულიالشرح
Ny dadatoan'ny Mpaminany (S.A.W) Al-Abbas bin Abdol Mottalib (R.A) dia nangataka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) mba hampianatra azy ny fitalahoana ho entiny mangataka amin'I Allah,ka nampianatra azy hangataka amin'I Allah ny fahasalamana sy ny fiarovana amin'ny fahoriana sy ny kilema eo amin'ny finoana sy ny eto an-tany ny Mpaminany (S.A.W). Niteny i Al-Abbas hoe : Rehefa afaka andro vitsivitsy dia niverina taminy aho ary mangataka azy indray mba hampianatra ahy ny fitalahoana izay angatahiko amin’I Allah, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy miaraka amin'ny fitiavana nanao hoe: Ry Abbasy ô!, Ry dadatoan’ny Irak'Allah! Angataho amin'I Allah ny fahasalamana mba hanoherana ny ratsy rehetra sy hisotonana ny tsara rehetra eto an-tany sy any ankoatra.فوائد الحديث
Ny famerimberenan'ny Mpaminany (S.A.W) ny valin_teny mitovy tamin'i Abbas rehefa nanontany azy fanindroany dia manambara fa ny fahasalamana no zavatra tsara indrindra angatahin'ny mpanompo amin'ny Tompony.
Fanazavana ny hatsaran'ny fahasalamana ary mitondra soa eto an-tany sy ny any ankoatra.
Ny fifikiran'ireo mpanara_dian'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fampitombona ny fahalalana sy ny hatsarana.