Izay mitafy lamba landy eto an-tany dia tsy hitafy izany any ankoatra

Izay mitafy lamba landy eto an-tany dia tsy hitafy izany any ankoatra

Tatitra azo avy tamin'i Omar (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay mitafy lamba landy eto an-tany dia tsy hitafy izany any ankoatra."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manao lamba landy eto an-tany amin'ireo lehilahy dia tsy hitafy izany any ankoatra raha tsy nibebaka mba ho fanasazina ho azy.

فوائد الحديث

Ny tia ho lazaina amin'ny lamba landy etoana dia landy voajanahary madio tsy mifangaro, fa ny landy artifisialy kosa dia tsy tafiditra amin'ilay lazain'ny hadith.

Voarara amin'ny lehilahy ny manao lamba landy.

Ny fandrarana ny fanaovana lamba landy dia mihatra amin'ny mitafy sy ny famelarana azy.

Azon'ny lehilahy atao ny mitafy lamba misy ampahany amin'ny lamba landy izay tsy mihoatra ny rantsan-tanana roa ka hatramin'ny efatra ny sakany eny ambonin'ny akanjo na amin'ny sisiny.

التصنيفات

Fahalalampomba rehefa mitafy lamba