إعدادات العرض
“Tsy ho lazaiko aminareo va momba ny mesia sandoka izay tsy nisy mpaminany tsy nilaza tamin’ny vahoakany? izy io dia toka-maso, ary miaraka aminy ny paradisa sy ny afo,
“Tsy ho lazaiko aminareo va momba ny mesia sandoka izay tsy nisy mpaminany tsy nilaza tamin’ny vahoakany? izy io dia toka-maso, ary miaraka aminy ny paradisa sy ny afo,
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Tsy ho lazaiko aminareo va momba ny mesia sandoka izay tsy nisy mpaminany tsy nilaza tamin’ny vahoakany? izy io dia toka-maso, ary miaraka aminy ny paradisa sy ny afo, Ka izay nolazainy fa paradisa no afo, ary mampitandrina anareo aho tahaka ny nampitandreman’i Noah ny vahoakany”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල دری অসমীয়া ไทย Tiếng Việt አማርኛ Svenska Yorùbá Кыргызча ગુજરાતી नेपाली Oromoo മലയാളം Română Nederlands Soomaali پښتو తెలుగు Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართული Čeština Українська Magyar Македонскиالشرح
Nampahafantatra ny mpiara-dia aminy ny Mpaminany (S.A.W) momba ny mesia sandoka sy ny toetrany ary ny fambara momba ireo zavatra izay tsy mbola nisy mpaminany nitantara izany, anisan'izany ny hoe : Izy io dia toka-maso. Ary Allah Tsitoha dia nandefa miaraka aminy ny Paradisa sy ny Afobe, araka ny fahitan’ny maso. Fa ny paradisany dia afobe, ary ny afobeny dia paradisa, ka izay mankato azy dia ho tafiditra ao amin’io paradisa io araka ny fahitan’ny olona azy, fa kosa afo miredareda izany, ary izay tsy mankatò azy dia ampidiriny any amin’ny afobe araka ny fahitan’ny olona azy, saingy paradisa mahafinaritra kosa izany. Avy eo dia nampitandrina antsika ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny fakam-panahy ataony, tahaka ny nampitandreman’i Noah ny vahoakany momba izany.فوائد الحديث
Halebeazan'ny fitsapan'ny mesia sandoka.
Ny fanavotana amin’ny fitsapan’ny mesia sandoka dia mitoetra amin’ny finoana marina, miverina amin’I Allah Ilay Tsitoha, mitady fiarovana amin’I Allah eo amin’ny tashahod farany, ary manao tsianjery andininy folo manomboka amin’ny fiandohan’ny Sorat Al-Kahf.
Ny fiahiahian'ny Mpaminany (S.A.W) fatratra ny vahoakany, raha nanazava tamin'ireo mpino silamo ny toetran'ny esia sandoka izay tsy nisy nampatsiahy ireo mpaminany teo alohany.