izay manao ozò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha

izay manao ozò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha

Tatitra azo avy tamin'i Homràn, mpanampin’i O'thman bin 'Affàn, fa nahita an’i O'thman bin 'Affan nangataka zinga misy rano hanaovana Ozò izy, dia nandraraka ny rano tamin’ny tànany izy ary nanasa izany in-telo. Avy eo nampidiriny tao amin'ilay zinga ny tanany havanana, avy eo nanotsam-bava izy sy nampiditra rano amin'ny orony ary namoaka izany, avy eo dia nanasa ny tarehiny intelo, ary ny tanany hatreo amin’ny kiho intelo, dia nisafo ny lohany, dia nanasa ny tongony intelo, ka niteny izy manao hoe : Hitako ny Mpaminany (S.A.W) nanao ny ozò toy izao nataoko izao, ary niteny izy hoe : “izay manao ozò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nampianatra ny ozò fanaon'ny Mpaminany (S.A.W) i O'thman (R.A), tamin'ny fomba fampiharana avy hatrany mba hazava kokoa, ka nangataka rano tao anaty zinga izy, nandraraka intelo tamin’ny tànany, rehefa avy eo dia natsofony tao anaty zinga ny tànany havanana, dia naka rano izy, nahodidininy teo am-bavany ary navoakany, avy eo dia nisintona ny rano hatrany anaty orony, dia navoakany ka nahisiny, avy eo nanasa ny tarehiny intelo, avy eo nanasa ny tànany hatreo amin’ny kiho intelo, avy eo izy dia nametraka ny tànany lena teo ambonin’ny lohany indray mandeha, dia nanasa ny tongony niaraka tamin’ny kitrokeliny intelo. Rehefa tapitra izany, dia nilaza tamin’izy ireo izy fa nahita ny Mpaminany (S.A.W) nidio tahaka izany fidiovana izany, ary nanome vaovao mahafaly ho azy ireo ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manao ny fidiovana tahaka ny azy, ary mivavaka swalat roa rakaat, manetry tena, manolotra ny fony eo anatrehan’ny Tompony ilay Tsitoha, dia hamaly soa azy Allah noho izany fidiovana tanteraka sy vavaka am-pahadiovam-po izany amin'ny alalan'ny famelana ny fahotany teo aloha.

فوائد الحديث

Amporisihina ny hanasa tànana mialohan'ny hampidirana azy amin'ny zinga eo am-panombohana ny fidiovana, na dia tsy nifoha avy amin'ny torimaso aza ilay olona, fa raha nifoha tamin'ny torimaso alina kosa ny olona iray dia tsy maintsy manasa tànany.

Ny mpampianatra dia tokony hanaraka ny làlana mora takatra sy mora mipetaka amin'ny mpianatra, anisan'izany ny fampianarana amin'ny alalan'ny fampiharana avy hatrany.

Ny mpanao soalat dia tokony hanaisotra ny eritreritra mifandray amin'ny fiahiana eto an-tany. satria ny fahatomombanana sy ny fahafenoan'ny soalat atao dia ao amin'ny fifantohan'ny fo ao aminy, raha tsy izany dia tsy azo ihodivirana mihitsy ny tsy hahalasa ny eritreritra, ka tsy maintsy ezahana ny manohitra ny tena ary tsy manaram-po amin'izany.

Tsara ny fiandohana amin'ny havanana rehefa manao Ozò.

Ny maha-ara-dalàna ny filaharana eo amin'ny fihotsanam-bava sy ny fitrohana rano amin'ny orona ary ny famoahana azy.

Tsaratsara ny manasa ny tarehy sy ny tànana roa ary ny tongotra roa in-telo fa ny tsy maintsy atao kosa dia ny manasa azy indray mandeha.

Ny famelan'Allah ny fahotana teo aloha dia vokatry ny fitambaran'ny zavatra roa : ny fidiovana ozò sy ny fivavahana soalat rakaat roa, araka ny fombafomba voalaza ao amin'ny hadith.

Isaky ny faritra tsy maintsy sasana rehefa manao ozò dia manana ny fetrany avokoa, ka ny fetran'ny tarehy dia : manomboka amin'ny volon-doha araka ny mahazatra, ka hatramin'ny volombava sy ny saokany ny halavany, ary manomboka amin'ny sofina ka hatramin'ny sofina ny sakany. Fetran'ny tànana : manomboka eo amin'ny rantsan-tànana ka hatrany amin'ny kiho, izay manasaraka ny tanana sy ny sandry ambony. Fetran'ny loha : manomboka amin’ny volon-doha araka ny mahazatra hatrany amin’ny sisin’ny tarehy ary hatrany ambonin'ny hatoka, ary misafo ny sofina roa miaraka amin’ny loha. Fetran'ny tongotra : ny tongotra iray manontolo miaraka amin'ny fifamatorana eo aminy sy ny kitro.

التصنيفات

Fomba fanaovana Ouzou