إعدادات العرض
Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro
Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny izy : Isaky ny mandro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia nanasa ny tànana roa, avy eo nanao ozò tahaky ny ozò amin'ny soalat, avy eo dia nandro, avy eo dia manavasava ny volony tamin'ny tànany, mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volony ny rano ary lena ny hodi-dohany, nandraraka rano in-telo taminy, avy eo nanasa ny vatany iray manontolo, dia hoy izy : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) nandro amin'ny koveta iray ary samy nanovo tao izahay roa. .
الترجمة
العربية Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी Português Kurdî Kiswahili සිංහල Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá ئۇيغۇرچە Tiếng Việt Hausa ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Kinyarwanda తెలుగు Lietuvių Oromoo Română മലയാളം Nederlands Soomaali Српски Українська Deutsch ಕನ್ನಡ Wolof Moore Shqip ქართული Azərbaycan Magyar বাংলাالشرح
Rehefa te-handro amin'ny fahalotoana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia niatomboka tamin'ny fanasana tanany roa. Avy eo dia manao ozò izy toy ny ozò fatao amin'ny soalat, avy eo manondraka rano amin'ny vatany, avy eo manavasava ny volon-dohany mandra-pahazoany antoka fa tonga any amin'ny fakan'ny volo ny rano ary lena ny hodi-dohany, avy eo nandraraka rano tamin’ny lohany in-telo ary nanasa ny sisa tamin'ny vatany. Ary niteny i Aicha (R.A) : Izaho sy ny Irak'Allah (S.A.W) mandro ao anaty koveta iray ary samy manovo rano ao aminy.فوائد الحديث
Misy karazany roa ny fandroana : ny fandroana mety sy fandroana feno. Raha ny amin'ny fandrona mety dia mikasa ny hanadio tena ny olona iray, avy eo manasa ny vatany manontolo amin'ny rano miaraka amin'ny fanasana ny vavany sy ny orony. Raha ny fandrona feno kosa dia mandro izy tahaka ny nataon'ny Mpaminany (S.A.W) nandro toy ny amin'ity hadith ity.
Ny loto lehibe (Janàba) dia ilazana izay rehetra namoaka tsirinaina, na nanao firaisana, na dia tsy nisy zavatra nivoaka aza.
Azo ataon'ny mpivady ny mifampijery henatra, sy ny mandro miaraka amin'ny koveta iray.
التصنيفات
Ny fandrona