إعدادات العرض
“Fady tsy azo atao ny mandatsaka ny Ra na ny Ainan'ny Mpino Islamo na dia iray aza. raha tsy noho ny iray amin' ireto antony telo ireto
“Fady tsy azo atao ny mandatsaka ny Ra na ny Ainan'ny Mpino Islamo na dia iray aza. raha tsy noho ny iray amin' ireto antony telo ireto
Tatitra azo avy tamin' Ibn Mas’ond (R.A) Niteny ka nanao hoe : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Fady tsy azo atao ny mandatsaka ny Ra na ny Ainan'ny Mpino Islamo na dia iray aza. raha tsy noho ny iray amin' ireto antony telo ireto : Olona efa nanambady ka nijangajanga, na aina solon'ny aina (sazy ampiharina amin'izay nandatsaka ain'olona), na koa Olona namela ny finoany ka niala amin'ny fiombonam-ben'ny vahoaka silamo.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español Français Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල Македонски नेपाली دری Lietuvių پښتو Shqip ગુજરાતી ភាសាខ្មែរ Українська Čeština Magyar Српски ქართული ਪੰਜਾਬੀ Kiswahili فارسی ಕನ್ನಡ മലയാളം тоҷикӣ kmr తెలుగు O‘zbek தமிழ் Fulfulde Tiếng Việt ไทย Deutsch Yorùbá Nederlandsالشرح
Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa masina ara-lalana tokoa ny Lio na ny Ran'ny Olona mpino silamo iray, raha tsy hita manao ny iray amin'ireto zavatra telo ireto Izy : Voalohany : Izay latsaka tao anatin'ny fanaovana ny fijangajangana, nefany Izy efa nanambady araka ny fomba ara-dalàna, dia lasa azo atao ny mamono Azy amin'ny alàlan'ny fitoraham-bato. Faha-roa : Izay namono Olona tsy manan-tsiny ka nataony an-tsitrapo ny famonoana an'ilay Olona ,tsy ara-dalàna dia tsy maintsy lasa hovonoina araka ny fepetra ny lalana misy Izy. Faha-telo : Ireo izay niala amin'ny vondrom-piarahamonin’ny mpino silamo, na amin'ny alalan'ny fandaozana ny fivavahana misy amin'ny finoana Islamo amin'ny endrika manontolo na koa amin'ny alàlan'ny fivadiham-pinoana, na amin'ny fisarahana tsy misy fivadiham-pinoana amin'ny fandaozana an'ireo zavatra sasatsasany amin'izany, toy ny mpikomy, ny mpangalatra sy mpandrava ary mpanedaka eny an-dalana, ary ny mpiady avy amin'ny Khawaridjy sy ny hafa ihany koa.فوائد الحديث
Ny fandrarana ny fanaovana ireo zavatra telo ireo, ka izay manao ny iray amin'izy ireo dia mendrika Azy ny hosazina ho faty : na noho ny avy amin'ny tsy finoana, izay mpivadika amin'ny finoana Islamo, na koa noho ny sazy voafaritra, toy : ny mpijangajanga nefa efa manambady, ary ny mpamono Olona an-tsitrapo.
Voadidy ny fiarovana ireo voninahitra ny maha Olona sy ny fahadiovany amin'izany.
Voadidy ny fanajana ny Miozolomana, ary voaro ny ràny.
Fampirisihana ny amin'ny fanarahana ny vondrom-piarahamonina ny vahoaka Miozolomana ary tsy misaraka velively amin'izy ireo.
Fahatsaran'ny fampianaran'ny Mpaminany (saw), Satria indraindray ny Teniny dia tonga amin'ny endrika fisaratsarahana; Satria ny fisaratsarahana dia mametra sy mampivondrona ny Olana ary haingana kokoa ny fitadidiana.
Nametraka sazy manokana i Tompo Allah mba entina hampitandremana sy hampitahorana an'ireo mpanao heloka bevava sy mba hiarovana ny fiaraha-monina ihany koa amin'ny heloka bevava.
Andraikitry ny mpitondra sy ireo tompom-pahefana ny fanatanterahana sy ny fampiharana ireo fetra ireo.
Misy antony mihoatra ny telo ny mahatonga ny famonoana ny Olona, saingy tsy mivoaka amin'izany akory izy ireo. Hoy i Ibno al-Arabi al-Maliki : Tsy mihoatra an'ireo telo voalaza ireo mihitsy izy ireo, Satria izay rehetra manao famosavina na manevateva an'i Mpaminany dia efa lazaina fa nikomy ka tsy ho mpino intsony, ary lasa anisan'ireo izay mandao ny finoany sy ny fivavahany Izy.
التصنيفات
Ireo didy famaizana