Ny toerana izay tena ho hanakakaizan'ny Mpanompo iray amin'ny Tompony dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny fanaovana ny Soalat, ka habetsao indrindra ny Fangatahana

Ny toerana izay tena ho hanakakaizan'ny Mpanompo iray amin'ny Tompony dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny fanaovana ny Soalat, ka habetsao indrindra ny Fangatahana

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Ny toerana izay tena ho hanakakaizan'ny Mpanompo iray amin'ny Tompony dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny fanaovana ny Soalat, ka habetsao indrindra ny Fangatahana ".

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny toerana tena akaiky indrindra an'ireo Mpanompo amin'ny Tompon'izy ireo dia rehefa amin'ny fotoanan'izy ireo miondrika ka miankohoka mivavaka Soalat eo anatrehany Tompo Allah. Izany dia Satria ny Olona mivavaka dia mametraka ny ampahany ambony indrindra amin'ny vatany amin'ny tany amin'ny fanekena sy fanetren-tena ary fanambanian-tena amin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha rehefa miankohoka. Izy (S.A.W), dia nandidy sy namporisika fa tokony hitalao sy hangataka be dia be ary atao imbetsaka mihitsy ny hataka mandritra ny fiankohofana izay hatao amin'ny Soalat, ka izay indrindra no manambatra ny fanetren-tena eo anatrehan'i Tompo Allah amin'ny alalan'ny Teny sy ny Asa.

فوائد الحديث

Ny fankatoavana dia anisany zavatra mampitombo ny fifandraisan’ny Mpanompo amin’Allah ilay avo Tsitoha.

Tsara ny manao fitalahoana sy fangatahana matetika mandritra ny fiankohofana amin'ny Soalat. Satria eo indrindra no anisan'ny toerana Azahoana ny valiny izany.

التصنيفات

Ireo antony mahavoavaly ny Douan sy ny manakana azy