إعدادات العرض
“Izay manaisotra ny zon’ny silamo amin’ny fianianana, dia efa nodidin’I Allah ho azy ny helo, ary norarany amin'ny Paradisa, dia hoy ny lehilahy iray taminy : Na dia zavatra kely aza izany ry irak’Allah? Hoy izy namaly : “Ary na dia ampahany kely aza.”
“Izay manaisotra ny zon’ny silamo amin’ny fianianana, dia efa nodidin’I Allah ho azy ny helo, ary norarany amin'ny Paradisa, dia hoy ny lehilahy iray taminy : Na dia zavatra kely aza izany ry irak’Allah? Hoy izy namaly : “Ary na dia ampahany kely aza.”
Tatitra azo avy tamin'i Abo Omama Iyas Ibn Thaalaba Al-Harithio(R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay manaisotra ny zon’ny silamo amin’ny fianianana, dia efa nodidin’I Allah ho azy ny helo, ary norarany amin'ny Paradisa, dia hoy ny lehilahy iray taminy : Na dia zavatra kely aza izany ry irak’Allah? Hoy izy namaly : “Ary na dia ampahany kely aza.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල Kiswahili অসমীয়া Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore Svenska ไทย Македонски తెలుగు Українська मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Nampitandrina ny Mpaminany ny amin’ny fianianana lainga sy am-pahatsorana amin’I Allah mba hanalana ny zon’ny Silamo, satria ny sazy amin’izany dia ny fidirana ao amin’ny helo sy ny fandrarana fidirana amin'ny Paradisa, ary tafiditra ho iray amin’ireo fahotana lehibe indrindra. Hoy ny lehilahy iray : Ry irak'Allah : Na dia zavatra kely aza ny fianianana? Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Na dia teo amin’ny hazo siwak nalaina tamin’ny hazo arak aza izany.فوائد الحديث
Fampitandremana amin'ny fakana zon’ny hafa, ary fifikirana mba hamerina izany amin’ny tompony, na dia kely aza, ary ny fanapahana tsy mety ataon’ny mpanapaka dia tsy mamela ny olona hanao izay tsy azy.
Hoy i Al-Nawawi : Noraràny mafy ny zon'ny silamo, ary tsy misy mahasamihafa ny fahamarinana kely sy ny be, Araka ny teniny hoe : "Eny na dia hazo kely avy amin'ny Arak aza."
Hoy i Al-Nawawi : Ity sazy ity dia ho an'izay manaisotra ny zon'ny silamo ary maty alohan'ny hibebahana, ary izay mibebaka sy manenina amin'ny nataony, mamerina ny zon'ny olona amin'ny tompony, manafaka ny tenany amin'izany ary manapa-kevitra ny tsy hanao izany, dia tsy misy fahotana intsony ho azy.
Hoy Al-Qaadi : Ny silamo dia voalaza manokana satria izy ireo no resahina sy mifanandrify amin'ny lalàna fa tsy hoe ny tsy Silamo no tsy mitovy aminy, fa ny fanapahan-keviny manokana momba izany.
Hoy i Al-Nawawi : Ny lainga dia milaza zavatra hafa ankoatry ny maha izy azy, na fanahy iniana na tsy nahy, na momba ny lasa na ny ho avy.
التصنيفات
Ny fanolanana