Anisan'ireo tiako indrindra aminareo ary akaiky ahy amin'ny andro farany dia ireny olona izay hita fa manana toetra tsara sy fitondra-tena mendrika indrindra

Anisan'ireo tiako indrindra aminareo ary akaiky ahy amin'ny andro farany dia ireny olona izay hita fa manana toetra tsara sy fitondra-tena mendrika indrindra

Tatitra azo avy tamin'i Jabir (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Anisan'ireo tiako indrindra aminareo ary akaiky ahy amin'ny andro farany dia ireny olona izay hita fa manana toetra tsara sy fitondra-tena mendrika indrindra, fa anisan'ireo olona halako indrindra aminareo sy lavitra ahy amin'ny andro farany dia, ireo olona be resaka, ireo manao tsara resaka, ary ireo " motafayhakona " dia nanontany azy ireo mpiara-diany ka niteny hoe : fantatray ireo be resaka, ireo manao tsara resaka, fa inona ary "Motafayhakona " ? dia namaly izy manao hoe : Mpanambony tena".

[Mari-pototra] [Notantarain'i Al-Tirmizì]

الشرح

Nanambara i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona izay tiany indrindra aminareo eto an-tany sy akaiky azy indrindra aminareo amin'ny fivoriana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia izay manana fitondran-tena tsara indrindra eo aminareo, ary izay halany indrindra aminareo eto an-tany ary ny hanalavirany iray aminareo amin’ny fivoriana amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia izay manana fitondran-tena ratsy indrindra. (ireo be resaka) izay be resaka noho ny fiankinan-doha sy ny fivilian-dàlana amin'ny fahamarinana, (sy ny fitenenan-dratsy) izay miteniteny foana ary manandratra ny teniny tsy amim-pitandremana na amin'ny fanajana (ary ny motafihikon), dia nanontany ireo mpanaradiany manao hoe : Ry irak'Allah, efa fantatra ireo be resaka sy ireo mpiteny ratsy ka inona no motafihikon ? Dia hoy izy namaly : Ny mpanambony tena, ireo maneso ny olona, ​​izay miteny be dia be sady miloa-bava amin’izany.

فوائد الحديث

Ny toetra tsara dia iray amin'ireo antony hitiavan'ny irak'Allah sy hanakakaizana azy amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, fa ny toetra ratsy kosa no mifanohitra amin'izany.

Ny toetra tsara no anisan’ny mahatonga ny olona hifankatia fa ny toetra ratsy kosa no mifanohitra amin’izany.

Mamporisika ny fitondran-tena tsara, ny fanetren-tena, ary mba tsy masiaka na mankarary fo.

Fampitandremana amin'ny resaka fihoaram-pefy, fiavonavonana, fizahozahoana ary fientanam-po.

التصنيفات

Ny fitondran-tena tsara