Eny tokoa, tompo Allah dia mamela ny vahoakako amin'izay nobitsibitsin'ny fony, raha mbola tsy nanao na niteny izany izy

Eny tokoa, tompo Allah dia mamela ny vahoakako amin'izay nobitsibitsin'ny fony, raha mbola tsy nanao na niteny izany izy

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Eny tokoa, tompo Allah dia mamela ny vahoakako amin'izay nobitsibitsin'ny fony, raha mbola tsy nanao na niteny izany izy."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo dia tsy ho voasazy amin'ny fisainana ratsy ao an-tsainy alohan'ny hanaovany izany na ny hitenenany azy, satria Allah dia nanaisotra ny ratsy sy namela heloka, ary ny vahoakan'i Mohammad (S.A.W) dia tsy ho voasazy amin’izay zavatra ao an-tsaina sy fisalasalana ao amin’ny fanahiny raha tsy nahazo toky sy niorim-ponenana ao aminy izany; Fa raha efa mitoetra sy raikitampisaka ao am-pony izany toy ny fanambonian-tena, na fireherehana, na fihatsarambelatsihy, na koa nataony tamin'ireo rantam-batany, notenen’ny lelany, dia hazoany fahotana izany.

فوائد الحديث

Allah dia namindra fo sy namela amin'ny eritreritry ny fanahy sy novisavisain'ny saina, ka mety hiresaka izany ao am-pony ny olona iray na handalo any an-tsainy.

Ny fisaraham-panambadiana, raha misy olona mieritreritra izany sy mandalo ao an-tsainy, nefa tsy niteny na nanoratra izany izy, dia tsy heverina ho fisaraham-panambadiana izany.

Tsy voasazy ny olona iray noho ny eritreriny ao am-pony, na dia lehibe toy inona aza izany, raha mbola tsy raikitam-pisaka ao aminy sy nataony na noteneniny.

Ny fahalehibiazan'ny vahoakan'i Mohammad (S.A.W) amin'ny fanasokajiana azy sy fiavahany manokana tsy ho voasazy amin'izay eritreriny ao an-tsainy, tsy tahaka ireo vahoaka talohantsika.

التصنيفات

Ireo voambolana ampiasaina amin'ny fisarahana