“Aza manompa na manozona ny rivotra, fa rehefa mahita izay halanao ianao, dia lazao hoe : Allah ô, mangataka aminao ny soa ho entin’ity rivotra ity izahay, ny soa amin’izay ao anatiny, ary ny soa ho an’izay nandidianao azy, Ary mangataka fiarovana aminao amin’ny faharatsian’ity rivotra…

“Aza manompa na manozona ny rivotra, fa rehefa mahita izay halanao ianao, dia lazao hoe : Allah ô, mangataka aminao ny soa ho entin’ity rivotra ity izahay, ny soa amin’izay ao anatiny, ary ny soa ho an’izay nandidianao azy, Ary mangataka fiarovana aminao amin’ny faharatsian’ity rivotra ity sy ny faharatsian’izay ao anatiny ary ny faharatsian’izay nandidianao azy”

Tatitra azo avy amin'i Obay ibn Ka'b (R.A), Niteny ilay Irak'Allah (S.W.A) manao hoe : “Aza manompa na manozona ny rivotra, fa rehefa mahita izay halanao ianao, dia lazao hoe : Allah ô, mangataka aminao ny soa ho entin’ity rivotra ity izahay, ny soa amin’izay ao anatiny, ary ny soa ho an’izay nandidianao azy, Ary mangataka fiarovana aminao amin’ny faharatsian’ity rivotra ity sy ny faharatsian’izay ao anatiny ary ny faharatsian’izay nandidianao azy”.

[Mari-pototra] [Notantarain'i Al-Tirmizì]

الشرح

Nandrara ny fanompana na fanozonana ny rivotra i Mpaminany (S.A.W) satria izy io nodidin'ny Mpamorona azy, mitondra famindram-po sy famaizana, ary ny fanozonana azy dia fanozonana an’I Allah ilay Mpamorona azy, ary tsy faly amin’ny didiny. Avy eo nanoro hevitra i Mpaminany (S.A.W) mba hiverina amin’I Allah ilay Mpamorona ny rivotra amin’ny fangatahana ny fahasoavanany sy ny fahasoavana amin’izay ao anatiny, ary ny tsara indrindra amin’izay nalefany dia toy ny fiavian’ny orana sy ny famindrana zavatra entiny, sy ny toy izany. Ary mitady fiarovana amin'I Allah amin'ny faharatsiany, ny faharatsian'ny ao anatiny, ary ny faharatsian'ny zavatra noentiny, toy ny fandringanana ny zavamaniry sy ny hazo, ny fandringanana ny biby fiompy, ny fandravana trano, sy ny toy izany, ary amin’ny alàlan'ny fangatahana izany no misy fahatanterahan’ny fanompoana an’I Allah.

فوائد الحديث

Fandrarana amin'ny fanozonana ny rivotra; Satria zavaboary voairaka izy io, ka miverina amin'ny Mpamorona sy Mpanome azy ny faniratsirana nataonao, ary izany dia tsy fahampian'ny finoana.

Fiverenana amin’I Allah sy fitadiavana fialofana Aminy amin’ny faharatsian’ny zavatra noforoniny.

Ny rivotra dia voabaiko amin'ny soa, ary izy koa voabaiko amin'ny ratsy.

Hoy Ibn Baz : Ny fanozonana ny rivotra dia anisan’ny fahotana; Satria zavaboary voadidy hitondra ny tsara sy ny ratsy; Tsy azo atao ny manozona izany, na ny miteny hoe : Ozon'I Allah anie aminao ry rivotra, na Allah anie hamono ny rivotra, na Allah anie tsy hitahy ity rivotra ity, na toy izany, ny mpino dia tokony hanao izay lazain’ny Mpaminany (S.A.W).

Ny fanoharana amin’ny rivotra amin’ny fandrarana ny fanompana sy ny fanozonana dia mifandray amin’ny hafanana, ny hatsiaka, ny masoandro, ny vovoka, ary ny zavatra hafa izay noforonin’I Allah sy harindrany.

التصنيفات

Tonombavaka vakina amin'ny fotoana rehetra