إعدادات العرض
“Faty antoka ho an'ny olona iray izay nilazana momba ahy teo anatrehany nefa tsy nivavaka ho ahy izy, ary faty antoka ho an'ny olona iray izay nahatra Ramadany ary niala ny Ramadany talohan’ny nahazoany famelan-keloka, ary faty antoka ho an'ny olona nahatratra ny ray aman-dreniny tamin'ny…
“Faty antoka ho an'ny olona iray izay nilazana momba ahy teo anatrehany nefa tsy nivavaka ho ahy izy, ary faty antoka ho an'ny olona iray izay nahatra Ramadany ary niala ny Ramadany talohan’ny nahazoany famelan-keloka, ary faty antoka ho an'ny olona nahatratra ny ray aman-dreniny tamin'ny fahanterany ka tsy nampiditra azy any amin’ny Paradisa.”
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Faty antoka ho an'ny olona iray izay nilazana momba ahy teo anatrehany nefa tsy nivavaka ho ahy izy, ary faty antoka ho an'ny olona iray izay nahatra Ramadany ary niala ny Ramadany talohan’ny nahazoany famelan-keloka, ary faty antoka ho an'ny olona nahatratra ny ray aman-dreniny tamin'ny fahanterany ka tsy nampiditra azy any amin’ny Paradisa.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල Kiswahili অসমীয়া Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ไทย Македонски తెలుగు मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Nanozona vondron'ny olona telo ny Mpaminany (S.A.W) mba hanindrona ny orony amin'ny fotaka noho ny fahafaham-baraka sy fahakivina ary ny faty antoka : Ny sokajy voalohany : Izy nanononana anaran’ny Mpaminany (S.A.W) saingy tsy nivavaka ho azy tamin’ny filazana hoe : Allah anie hitahy azy sy hanome azy fiadanana, na zavatra mitovy amin’izany. Ny faharoa : Izay nahatratra ny volana Ramadany ary avy eo dia lasa ny volana nefa tsy voavela ny helony noho ny tsirambina nataony tamin’ny fankatoavana. Fahatelo : Olona iray izay nahatratra ny fahanteran'ny ray aman-dreniny, nefa tsy izany no antony nidirany tamin'ny paradisa noho ny tsy fankatoavany sy ny tsy firaharahiany ny zony.فوائد الحديث
Hoy i Al-Sindi : Ny zava-misy dia ny tsirairay amin'ireo olona ireo dia samy tokony hahazo zavatra tsara raha tsy ny tsirambina nataony, rehefa nanao tsirambina izy dia lasa ilay fahasoavana ka maty antoka izy.
Famporisihana handefa vavaka ho an'ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny voatonona ny anarany.
Famporisiha ny fahazotoana sy ny fanoloran-tena amin'ny fanompoam-pivavahana mandritra ny volana Ramadany.
Famporisihana ny fahazotoana amin’ny fanajana sy fanaovan-tsoa ny ray aman-dreny, indrindra fa amin’ny fahanterana.