“Tsy misy mpino silamo izay manatanteraka Swalat dimy, tsy ka manao ozò tsara, tamim-pahatahorana, fiankohofana tsara, dia hamafa ny ota vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany dia mandavan-taona.”

“Tsy misy mpino silamo izay manatanteraka Swalat dimy, tsy ka manao ozò tsara, tamim-pahatahorana, fiankohofana tsara, dia hamafa ny ota vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany dia mandavan-taona.”

Tatitra azo avy amin'i O'thman (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy mpino silamo izay manatanteraka Swalat dimy, tsy ka manao ozò tsara, tamim-pahatahorana, fiankohofana tsara, dia hamafa ny ota vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany dia mandavan-taona.”

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy mpino silamo miditra amin’ny fotoam-bavaka dimy ka manatanteraka tsara ny ozò sy mamita izany, avy eo dia manolo-tena amin’ny fivavahany ka ny fony sy ny rantsam-batany rehetra dia mitodika amin’Allah, manome voninahitra ny fahalehibiazany, ary mamita ny fihetsika rehetra ato amin'ny Soalat toy ny fihondrehana, fiankohofana, sy ny sisa, afa-tsy hoe io Soalat io no manafoana ny fahotana madinika vitany teo aloha, raha tsy nanao fahotana lehibe izy, ary izany valisoa izany dia mitoetra amin’ny fotoana sy amin’ny Soalat rehetra.

فوائد الحديث

Ny soalat mamafa fahotana dia ny soalat notanterahina tsara ny ozò aminy, ary notanterahina tam-pitoniana sy natao mba hamalifalialana an'Allah.

Ny fahasoavana azo amin'ny fifikirana amin'ny asa fanompoam-pivavahana, ary izany no antony ho famelana ny fahotana madinika.

Fahasoavana azo amin'ny fanaovana tsara ny Ozò sy ny Soalat am-pitoniana.

Ny maha-zava-dehibe ny fiatahana ireo fahotana lehibe mba hamafana ireo fahotana madinika.

Ny fahotana lehibe dia tsy voafafa raha tsy amin'ny fibebahana.