إعدادات العرض
Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana : ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty
Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana : ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana : ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Português සිංහල Nederlands অসমীয়া Tiếng Việt Kiswahili ગુજરાતી پښتو Română മലയാളം Deutsch नेपाली ქართული Moore Magyar తెలుగు Кыргызча Svenska ಕನ್ನಡ አማርኛ Українська Kinyarwanda Македонски Oromoo ไทย Српски मराठी ਪੰਜਾਬੀ دریالشرح
Milaza momba ny toetra roa amin'ny olona izay mahatonga ny asa amin'ny tsy finoana sy ny fitondran-tena talohan'ny silamo i Mpaminany (S.A.W). Izy ireo dia ny : Ny voalohany : Fanompana ny taranaky ny olona, manambany azy ireo ary manambony tena aminy. Ny faharoa : mampiaka-peo mandritra ny loza noho ny fahatezerana amin’ny anjara, na mandrovitra akanjo noho ny tahotra.فوائد الحديث
N'y famporisihana amin'ny fanetren-tena ary tsy manambony tena amin'ny olona.
Ilaina ny faharetana amin'ny loza ary tsy tokony ho tezitra.
Ireo fihetsika ireo dia avy amin’ny tsy finoana madinidinika, ary tsy midika fa izay manao iray amin’ireo sampan’ny tsy finoana dia voasokajy ho tsy mpino izay mamoaka azy amin'ny finoana mandra-pahatongavany amin'ny tsy finoana lehibe.
Ny finoana silamo dia mandrara izay rehetra mitarika fisaratsarahana eo amin'ny silamo, toy ny fanafihana firazanana sy ny zavatra hafa.
التصنيفات
Ny tsy finoana