Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe

Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir (R.D) Niteny ka nanao hoe : Nisy lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) ka Niteny Izy nanao hoe : O ! ry Iraka mahafatokin'i Tompo 'Allah, Inona ireo adidy lehibe roa ? namaly izy ka nanao hoe : " Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe "

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Nisy lehilahy iray nanontany an'i Mpaminany (S.W.A) mahakasika zavatra roa : izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa, sy izay zavatra mandidy ny fidirana amin'ny Afobe ? Dia namaly izy (S.W.A) : Fa ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Paradisa dia ny fahafatesan'Olona iray manompo an'i Tompo Allah tokana ka tsy manakambana Azy amin'ny zavatra hafa, Ary ny zavatra izay mandidy ny fidirana amin'ny Afobe dia ny fahafaatesan'Olona iray nanakambana an'i Tompo Allah ka nataon'i Tompo Allah manana mpifaninana sy tahaka Azy amin'ny maha Zanahary Azy na koa amin'ny maha-Tompo Azy na koa amin'ireo anarany sy ireo lazany.

فوائد الحديث

Vonahitra sy fahasoavan'ny fanokanana an'i Tompo Allah sy izay maty tao anatin'ny finoana an'i Tompo Allah ka tsy nanakambana Azy amin'ny hafa dia mahazo alalana miditra amin'ny Paradisa.

Maha-zav-adoza ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny hafa, ary izay maty amin'izany fanakambanana Azy amin'ny zavatra hafa izany dia miditra ao amin'ny Afobe.

Ireo mpanota sy mpanao fahadisoana nefa mpanokana an'i Tompo Allah dia eo ambany fahefan'ny Tompo Allah hatrany, raha sitrany dia mety saziny ary raha sitrany ihany koa dia mety avelany izy ireny, avy eo ny fiafaran'izy ireo dia miafara amin'ny fidirana amin'ny Paradisa.