Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy }

Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy }

Tatitra avy amin'i Aishat (R.A) manao hoe : Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy } avy eo dia safoIny izay rehetra tratran'izany amin'ny Vatany, atombony avy eo amin'ny Lohany sy ny Tarehiny, ary ireo faritra aloha amin'ny Vatany mantolo, ka Ataony in-telo avokoa izany.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Isan'ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa miakatra eo am-pandriana hatory amin'ny alina Izy dia manambatra ny Tànany roa - toy ny mangataka Douan ireny - ary mitsoka moramora amin'ny felatànany roa ka misy piti-drora kely ary mamaky {Qol howalloahou Ahado} sy {Qol ao'zhou birabbil Falaq} ary {Qol ao'zhuo birabbin-Nàsy} avy eo safoiny izay rehetra tratrany amin'ny Vatany, atombony amin'ny Lohany sy ny Tarehiny, ary ireo faritra aloha amin'ny Vatany mantolo, ka Ataony in-telo avokoa izany.

فوائد الحديث

Amporisihina ny mamaky ny Sourah Al-Ikhlas sy Al-Mu'awwidhathayn alohan'ny hatoriana, mitsoka azy ireo ary mamafa ny vatany araka izay azo atao.

التصنيفات

Ny hasin'ireo Toko (surat) sy ireo andininy, Fahalalampomba rehefa matory sy mifoha