إعدادات العرض
“Manan-jo handro indray mandeha isaky ny fito andro ny mpino silamo tsirairay, izay hanasany ny lohany sy ny vatany mandritra izany”
“Manan-jo handro indray mandeha isaky ny fito andro ny mpino silamo tsirairay, izay hanasany ny lohany sy ny vatany mandritra izany”
Tatitra azo avy tamin'Abo Horaira (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manan-jo handro indray mandeha isaky ny fito andro ny mpino silamo tsirairay, izay hanasany ny lohany sy ny vatany mandritra izany”.
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली മലയാളം Bosanski Italiano ಕನ್ನಡ Kurdî Oromoo Română Soomaali Shqip Српски Українська Wolof Tagalog Moore தமிழ் Azərbaycan فارسی ქართული 中文 Magyarالشرح
Nanambara ny irak'Allah (S.A.W) : Fa zo mazava ho an'ny mpino silamo olon-dehibe rehetra ny misasa indray andro isaky ny fito andro ao anatin'ny herinandro iray, ary amin'izany andro izany no anasany ny lohany sy ny vatany, mitady ny fahadiovana. Ny lohalaharana amin'ireo andro ireo dia ny zoma, araka ny fantatra amin'ny fitantarana sasany, ary ny fandroana amin'ny andro zoma alohan'ny soalat dia tena tsara sy azo antoka tokoa, na dia nandro ny alakamisy aza, ohatra. Manala ny didy amin'ny tsy maintsy handroana amin'ny andro zoma ny tenin'i Aisha (R.A) : "Ny olona dia samy nanana ny asa fivelomany avokoa, ary rehefa nandeha hanao ny vavaka zoma izy ireo dia tonga tamin'ny endriny avy nanao ny asany, ka nolazaina tamin'izy ireo hoe : Raha mba nandro ianareo. ” Notantarain'i Bokhari, ary any amin'ny fitantarany hafa manao hoe : "Misy fofona izy ireo", midika hoe fofona hatsembohana sy ny toy izany, na izany anefa dia nolazaina azy ireo hoe : "Raha mba nandro ianareo", ka ny hafa ankoatra azy ireo no mialoha laharana amin'ny tsy teréna handro.فوائد الحديث
Ny finoana silamo dia liana sy miahy amin'ny fahadiovana.
Ny fandrona hanao soalat amin'ny andro zoma dia tsara azo antoka.
Lazaina manokana ny loha, na dia ny filazana ny vatana mahafeno izany; noho ny fanomezana lanja azy.
Voadidy ho an'izay misy fofona ka mety hanahirana olona ny mandro.
Ny andro voamarina ho an'ny fanadiovana dia ny zoma; Noho ny fahalebiazany