Tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho, te-hiditra ho mpino silamo, dia nasainy nandro ny tenako tamin'ny rano sy ravinkazo

Tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho, te-hiditra ho mpino silamo, dia nasainy nandro ny tenako tamin'ny rano sy ravinkazo

Tatitra azo avy tamin'i Qays Ibn À’sim (R.A) niteny hoe : Tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho, te-hiditra ho mpino silamo, dia nasainy nandro ny tenako tamin'ny rano sy ravinkazo.

[Mari-pototra] [Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì]

الشرح

Tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) i Qays bin À’sim ary naniry ny hiditra ny finoana silamo izy, nandidy azy handro amin’ny rano sy ravinkazo mokonazy ny Mpaminany (S.A.W). Satria ny ravin'ny mokonazy dia atao fanadiovana; noho izy tsara fofona.

فوائد الحديث

Ny maha ara-dalàna ny fandroan'ny tsy mpino rehefa hiditra ny finoana silamo.

Ny Islam dia manome voninahitra sy mikarakara ny vatana sy ny fanahy.

Ny fampifangaroana ny rano amin'ny zavatra madio dia tsy manala ny fahadiovany.

Ny fanadiovana maoderina, toy ny savony sy ny mitovy aminy, dia maka ny toeran'ny ravin'ny mokonazy.

التصنيفات

Ireo zavatra voadidy amin'ny Ouzu