“Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady

“Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady

Tatitra azo avy tamin'i Abo Saì'd Al-Khodri (R.A) -dia niaraka nanao ady masina roa ambin'ny folo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) - dia hoy izy : Nandre zavatra efatra avy amin'ny Mpaminany (Saw) aho ka nahafinaritra ahy, niteny Izy: “Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady azy, ary tsy hanao fifehezana amin'ireto andro roa ireto : Al-Fitr sy Al-Adha, ary tsy hivavaka aorian’ny Fajr mandra-piposahan’ny masoandro sy aorian’ny Asri mandra-pilentikiny , ary aza manao fitsidiana masina afa-tsy amin’ny moske telo: ny Moske Haram, ny Moske Al-Aqsa, ary ity moskeko ity”.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari]

الشرح

Nandrara zavatra efatra ny Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany dia ny : manakana ny vehivavy tsy handeha lavitra mandritra ny roa andro tsy miaraka amin'ny vadiny na ny iray amin’ireo fady azy, izany dia havany fady azy mandrakizay, toy ny zanakalahy, ray, zana-drahalahy, zanaky ny anabavy, dadatoan-dray, rahalahan-dray, sy ny toy izany. Ny faharoa : Fandrarana amin’ny fifehezana amin'ny andro Eid al-Fitr sy ny Eid al-Adha, na dia fifehezana noho ny voady, na an-tsitrapo, na ny fanonerana trosa. Ny fahatelo : voarara ny manao soalat an-tsitrapo aorian’ny vavaka Asri mandra-pilentiky ny masoandro, ary aorian’ny vavaka maraina Fajri mandra-piposahan’ny masoandro. Ny fahefatra : Voarara ny mandeha any amin’ny toerana ka mino ny fahamasinany sy finoana ny fitomboan'ny fahasoavana azo avy aminy, ankoatra ireo moske telo ireo, koa tsy azo atao ny mandeha any amin’ny toerana hafa mba hivavaka hahazoana fahasoavana, satria tsy hitombo ny valisoa raha tsy ao amin'ireo moske telo ireo dia ny Moske Haram, ny Moske Mpaminany ary ny Moske Al-Aqsa.

فوائد الحديث

Tsy azo ataon'ny vehivavy ny mandeha manano dia lavitra raha tsy miaraka amin'ny olona fady azy.

Ny vehivavy dia tsy azo lazaina ho mpiahy ny vehivavy rehefa mandeha; noho ny teniny manao hoe : “Ny vadiny na olona fady azy”.

Ny rehetra antsoina hoe dia lavitra, dia voarara ny vehivavy ny handeha tsy miaraka amin'ny vadiny na olona fady azy, fa ity Hadith ity dia araka ny toe-javatra nisy tamin'ilay mpanontany sy ny toeram-ponenany.

Ny mpiahy ny vehivavy amin'ny dia lavitra (mahram) dia ny vadiny na ny olona tsy afaka manambady azy mandrak'izay noho ny fihavanany aminy, toy ny ray, zanaka, rahalahan-dray, na dadatoan-dray, na noho ny fihavanany aminy ara-pinonoana, toy ny ray amin’ny fampinonoana sy ny dadatoan-dray amin’ny fampinonoana, na amin'ny alàlan'ny fanambadiana, toy ny rain'ny lehilahy, tsy maintsy mpino silamo ampy taona, salama saina, azo itokisana. Ny tanjon'ny olo-pady dia ho fiarovana ilay vehivavy sy antoka ho azy, ary fanampiana azy.

Ny lalàna Islamika dia miahy ny vehivavy, miaro ary mikarakara azy ireo.

Ny vavaka an-tsitrapo (Soalat sonnah) tanterahina aorian'ny soalat Fajr sy Asr dia tsy manan-kery, afa-tsy ny fanoloana ireo vavaka dimy, ary noho ny antony toy ny soalat fiarahabana ny moske sy ny toy izany.

Voarara ny mivavaka aorian’ny fiposahan’ny masoandro avy hatrany, fa tokony miandry kely toy ny refin'ny avon'ny lefona, manodidina ny folo minitra ka hatramin’ny ampahefak'adiny.

Ny fotoana ivavahana Asr dia mitatra hatramin'ny filentehan'ny masoandro.

Azo atao arak'izany ny mandeha mankany amin'ireo moske telo ireo ho dia ara-pinoana.

Ny hasin'ireo moske telo ireo sy ny fiavahany manoloana ny hafa.

Tsy azo atao manokana dia handeha hamangy fasana, na dia fasan’ny Mpaminany (S.A.W) aza izany, fa azo atao kosa ny mitsidika azy ho an’izay ao Madina, na tonga tany amin’ny izy noho ny tanjona ara-dalàna na mety.