إعدادات العرض
“Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity
“Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity
Tatitra azo avy amin'i Tamim Ad-Dari (R.A), niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Ho tonga amin’izy ireo ity finoana ity, tahaky ny fahatongavan'ny alina sy ny atoandro, ary tsy hamela trano madio na feno vovoka Allah, afa-tsy ampidirany an'ity finoana ity, miaraka amin'ny voninahitry mihaja na fahafaham-barakan'ny marefo, voninahitra hanandratan'I Allah ny finoana silamo, ary fanalam-baraka izay nampietry ireo tsy mpino.” Ary niteny i Tamim ad-Dari hoe : “Fantatro izany tao amin’ny fianakaviako, nomem-boninahitra izay nino, fa tratran'ny fahambaniana sy fandoavan-ketra kosa ireo tsy nino.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Türkçe اردو हिन्दी Tagalog 中文 Kurdî Português Русский دری অসমীয়া Tiếng Việt አማርኛ Svenska ไทย Yorùbá Кыргызча Kiswahili ગુજરાતી Hausa नेपाली Română മലയാളം Nederlands Oromoo සිංහල پښتو తెలుగు Soomaali Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართულიالشرح
Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa hiparitaka amin'ny faritra rehetra eto an-tany ity finoana ity, ka na aiza na aiza toerana ahatongavan'ny alina sy atoandro, dia ho tonga any aminy ity finoana ity. Ary tsy havelan'I Allah na dia trano iray any amin’ny tanàn-dehibe sy ambanivohitra na any amin'ny tany bedoina na tany efitra afa-tsy ampidiriny ity finoana ity. Ka izay manaiky io finoana io sy mino azy dia hanam-boninahitra noho ny voninahitry ny finoana silamo. Ary izay mandà izany ka tsy mino dia ho afa-baraka sy hohambaniana. Avy eo dia nilaza ilay mpiara-dia aminy dia i Tamim ad-Dari fa hitany ny zavatra nolazain'ny Irak'I Allah tamin'ny fianakaviany manokana, ka izay nanaraka ny finoana silamo tamin'izy ireo dia nahazo soa, voninahitra sy haja, ary izay tsy nino teo amin’izy ireo kosa dia nahazo fahafaham-baraka sy fahambanina, izany dia noho ny fandoavany hetra amin'ny mpino silamo.فوائد الحديث
Vaovao mahafaly ho an'ny mpino silamo fa hiparitaka manerana ny tany ny finoany.
Ny voninahitra dia ho an'ny finoana silamo sy ny mpino silamo, ary ny fahafaham-baraka dia ho an'ny tsy finoana sy ny tsy mpino.
Ao amin'io hadith io dia ahitana porofon’ny faminaniana sy fambara iray amin'ireo fambara maro, satria tanteraka izany tahaka ny nanambaran’ny Mpaminany (S.A.W) azy.
التصنيفات
Ireo famantarana ny fara-andro