إعدادات العرض
Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak
Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak
Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) nilaza izy : Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî Kiswahili සිංහල አማርኛ অসমীয়া ગુજરાતી Tiếng Việt دری Nederlands नेपाली پښتو ไทย Svenska മലയാളം Кыргызча Oromoo Română తెలుగు ಕನ್ನಡ Српски ქართული Mooreالشرح
Matetika ny Mpaminany (S.A.W) no nanadio ny vavany tamin'ny siwak sy nandidy ny amin'izany, ary nohamafisiny ny fanaovana izany tamin'ny fotoana sasantsasany, toy ny : manao siwak rehefa mifoha amin'ny alina, satria ny Mpaminany (S.A.W) dia nikosoka ny vavany amin'ny siwak.فوائد الحديث
Manaporofo ny maha ara-dalàna ny fampiasana ny siwak aorian'ny torimaso alina, satria ny torimaso manova ny fofon'ny vava, ary ny siwak no fitaovana fanadiovana.
Manamafy ny maha ara-dalàna ny siwak rehefa misy fiovan'ny fofona ratsy eo amin'ny vava, ho fakana ilay voalaza teo aloha.
Ny maha ara-dalàna ny fahadiovana amin'ny ankapobeny, ary izany dia ao anatin'ny Sonat Mpaminany (S.A.W) sy ny fahalalam-pomba ambony indrindra.
Ny fanaovana siwak ny vava iray manontolo dia ahitana : ny nify, ny hihy ary ny lela.
Ny siwak dia tapa-kazo avy amin'ny hazo "Arak" na hazo hafa, ampiasaina hanadiovana ny vava sy ny nify, hanadio ny vava ary hanala ny fofona ratsy.