إعدادات العرض
Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao
Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands සිංහල தமிழ் ไทย دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली Italiano or ಕನ್ನಡ Oromoo Română Soomaali Српски Wolof Українська Moore Azərbaycan ქართული Magyarالشرح
Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo fahalalam-pomba tsy maintsy atao ho an'izay manatrika ny toriteny zoma dia ny mihaino ny mpitoriteny, mba hisaintsainana ny toriteny, ary izay miteny - na dia zavatra kely indrindra aza - nefa mbola mitoriteny ny imam, ka miteny amin'ny hafa izy hoe : "Mangina ianao" ary "mihainoa", dia tsy nahazo ny valisoan'ny vavaka Zoma izy.فوائد الحديث
Fandrarana ny fitenenana eo am-pihainoana ny toriteny, eny fa na dia amin’ny fanakanana amin'ny ratsy na ny famaliana ny fiarahabana na ny famalina ny mpievona.
Tsongaina amin'izany ireo izay miresaka amin'ny imam na izay iresahan'ny imam.
Azo atao ny miresaka eo anelanelan'ny toriteny roa raha ilaina.
Raha voatonona ny anaran'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa manao toriteny ny imam, dia mandefa vavaka sy tso-drano ho azy am-pahanginana ianao, ary toy izany koa ny fitenenana AMINE rehefa mandeha ny Doan.
التصنيفات
Ny Swalat amin'ny andro zoma