إعدادات العرض
“Afaingano amin'ny asa soa ny fitsapana tahaka ny ampahan’ny alina maizina
“Afaingano amin'ny asa soa ny fitsapana tahaka ny ampahan’ny alina maizina
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Afaingano amin'ny asa soa ny fitsapana tahaka ny ampahan’ny alina maizina. Ho mpino ny olona amin’ny maraina ka hivadika tsy mpino kosa amin'ny hariva, na ho mpino izy amin’ny hariva nefa lasa tsy mpino koa amin'ny maraina, mivarotra ny finoany amin’ny fahafinaretana eto an-tany".
الترجمة
العربية Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tagalog Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල دری অসমীয়া ไทย Tiếng Việt አማርኛ Svenska Yorùbá Кыргызча ગુજરાતી नेपाली Oromoo മലയാളം Română Nederlands Soomaali پښتو తెలుగు Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართულიالشرح
Mamporisika ny mpino i Mpaminany (S.A.W) mba hanafaingana sy hanao asa soa maro alohan'ny hahatongavan'izany, ary tsy ho variana amin'ny fahatongavan'ny fitsapana sy ny fakam_panahy izay manakana sy mandrara azy ireo tsy ho azony, izany dia toy ny alina maizimbolana, ka mifangaro ny fahamarinana amin’ny lainga, ary sarotra amin’ny olona ny manavaka azy, ary noho ny hamafin’izany dia very hevitra ny olona iray ka hahatonga ny olona ho mpino amin'ny maraina nefa mivadika tsy mpino amin'ny hariva, na ny hariva izy dia mpino fa amin'ny maraina kosa dia lasa tsy mpino, satria nanambela ny finoany amin’ny fahafinaretana sendra mandalo eto an-tany.فوائد الحديث
Voadidy ny mifikitra amin'ny fivavahana ary mihazakazaka manao asa soa mialohan'ny hisian'ny sakantsakana.
Milaza ny fifandimbiasan'ny fitsapana feno fitaka amin'ny fara-andro, ary isaky ny manjavona ny fitsapana iray dia misy fitsapana hafa manaraka azy.
Raha malemy ny finoan’ny olona iray mahavita mandefitra ho takalon’ny zavatra eto an-tany toy ny vola na zavatra hafa, dia izany no lasa anton’ny fiviliany sy ny fialany amin’ny finoana ary mirony makany amin’ny fakam-panahy.
Voaporofo ao amin’ny hadith fa ny fanaovan-tsoa dia fomba iray hahazoana fanavotana amin’ny fitsapana.
Misy karazany roa ny fitsapana : ny fitsapana avy amin'ny fisalasalana ka ny fitsaboana azy dia ny fahalalana, ary ny fitsapanay avy amin'ny filàna ka ny fitsaboana azy dia ny finoana sy ny faharetana.
Hita ao amin'ny hadith fa izay manao asa kely dia ho haingana kokoa ho azy ny fitsapana, ary izay miasa be dia tsy tokony ho voafitaka amin'izay ananany fa vao mainka mitombo.
التصنيفات
Olon’ny finoana