Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika

Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (RA) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika.."

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nanazava ny fomba dimy amin'ny finoana Islam sy ny fomban'ireo iraka rehetra ny Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany amin'izy ireo : famorana, izany dia ny fanapahana ny hoditra mihoatra eo amin'ny filahiana eo ambonin'ny lohan'ny filahiana, ary fanapahana ny lohan'ny hoditra eo amin'ny fivavian'ny vehivavy eo ambonin'ny toerana fampidirana. Ny faharoa : fanadiovana henatra, izany dia ny fanapahana ny volovolo manodidina ny henatra aloha. Fahatelo : fanapahana ny volombava ambony, izany dia ny fanapahana izay maniry eo ambonin'ny molotra ambony ka noho izany dia miseho ny molotra. Fahefatra: fanalana hoho. Fahadimy : fanongotana volokelika.

فوائد الحديث

Ny fomba amam-panaon'ireo Iraka izay tian'Allah sy ankasitrahany, ary didiny ny fanatanterahana azy, dia miantso mankany amin'ny fahalavorariana sy fahadiovana ary hatsarana.

Ny maha-ara-dalàna ny fahazarana manao ireo zavatra ireo, ary tsy azo hatao tsirambina izany.

Ireo zavatra ireo dia ahazoana hatsarana ara-pinoana sy ara-piainana eto an-tany, ao anatin’izany ny : fanatsarana ny bika aman’endrika, ny fanadiovana ny vatana, ny fitandremana ny fahadiovana, ny fihavahana amin'ny tsy mpino ary ny fankatoavana ny didin’Allah.

Misy fanampiny hafa voalaza any amin'ny hadith hafa momba ireo fombafomba voa-janahary ankoatra ireo dimy voalaza, toy ny : famelana ny somotra, fampiasana siwàk, sy ny hafa ankoatr'izany.