asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.”

asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.”

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi bin Maso’di (R.A) niteny izy: Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.” Hoy izy : Ireo no nambarany ahy, ary raha mbola nitady fanampiny taminy aho, dia nanampiany.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Inona no asa tian’Allah indrindra? Namaly izy : Ny vavaka tsy maintsy atao amin’ny fotoana voatondron’ny lalàna. Avy eo, fanajana ray aman-dreny amin’ny fanehoana hatsaram-panahy aminy, amin’ny fanatanterahana ny zony, ary amin’ny fialana amin’ny tsy fanajana azy. Avy eo dia ny jiady amin'ny làlan'Allah, mba hanandratana ny tenin'Allah ilay Tsitoha, hiaro ny finoana silamo sy ny vahoakany, ary haneho ny fombafombany, amin'ny vatana sy ny vola. Niteny Ibn Mas’od 'R.A) : Lazao ahy ireo asa ireo; Ary raha mbola niteny taminy aho hoe : inona no aorian'izany? dia nampiany hatrany izy.

فوائد الحديث

Ny maha ngeza kokoa ny asa noho ny hafa dia arakaraky ny fitiavan’Allah azy.

Famporisihana ny mpino silamo hiezaka hanao ny asa tsara kokoa sy ny tsara indrindra.

Ny valin-tenin’ny Mpaminany (S.A.W) momba ny asa tsara indrindra dia miovaova arakaraka ny fahasamihafan'ny olona sy ny toe-javatra misy azy, ary araka izay mahasoa kokoa ny tsirairay amin'izy ireo.