“Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”

“Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”

Tatitra azo avy amin'i Anas bin Malik (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fifindran'ny aretina izay ninoan'ny olona talohan'ny silamo, ka ny aretina dia mifindra amin'ny alalan'ny tenany ihany ho amin'ny hafa, fa tsy noho ny lahatr'Allah, dia lainga izany. Ary ny zavatra antsoina hoe "tiara" dia lainga, izany dia finoanoam-poana amin'ny zavatra rehetra, na heno na hita, amin'ireo vorona, biby, olona manana fahasembanana, isa, andro, na zavatra hafa. Nolazainy fotsiny ny vorona satria nalaza izany tamin'ny fotoan'ny habadoana, ary ny fiavian'izany dia ny famotsorana ilay vorona rehefa manao hetsika toy ny dia lavitra, varotra, na zavatra hafa, raha manidina miankavanana dia feno ny fanantenana ka manatanteraka izay tiany, ary raha manidina miankavia izany dia lasa minomino foana izy ary tsy nanao izay tiany. Avy eo nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tiany ny manantena ny tsara, izy io dia fifaliana sy fahafinaretan’ny olona iray avy nahazo teny feno hatsarana, ka mahatonga azy hieritreritra tsara ny Tompony.

فوائد الحديث

Fatokisana an’Allah ilay Tsitoha, ary tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy mahatohitra ny ratsy afa-tsy Allah ihany.

Fandrarana ny amain'ny "tiara", izay finoanoam-poana ka manakana ny olona tsy hiasa.

Ny fambara tsara dia tsy fihetsika voarara, fa finoana tsara an'Allah ilay Tsitoha.

Ny zava-drehetra miseho dia avy amin'ny fahefan'Allah ilay Tsitoha irery ihany, tsy misy mpiombona aminy.

التصنيفات

Ny fanokanana an'Allah amin'ny maha-Andriamanitra Azy