Tsy ho voakasika ny afo mihitsy tongotry ny mpanompo rakotry ny vovoka tamin'ny fanaovana ny asan'I Allah

Tsy ho voakasika ny afo mihitsy tongotry ny mpanompo rakotry ny vovoka tamin'ny fanaovana ny asan'I Allah

Tatitra azo avy tamin'i Abo Abas Abd al-Rahman bin Jabr (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy ho voakasika ny afo mihitsy tongotry ny mpanompo rakotry ny vovoka tamin'ny fanaovana ny asan'I Allah."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Nanome vaovao mahafaly i Mpaminany (S.A.W) fa izay tratry ny vovoka eo amin'ny tongony eo am-pitolomana amin'ny asan'I Allah dia tsy hikasika azy ny afo.

فوائد الحديث

Vaovao mahafaly ho an'izay miady amin'ny anaran'I Allah fa ho vonjena amin'ny helo izy.

Noresahiny ny tongotra, na dia mandrakotra ny vatana manontolo aza ny vovoka. Satria nandeha an-tongotra ny ankamaroan'ny manao jiady tamin'izany fotoana izany, ary lasa feno vovoka ihany koa ny tongony.

Hoy I Ibn Hajar : Raha ny fikasihana vovoka amin'ny tongotra fotsiny no mahatonga ny afo ho voarara; Ahoana àry ny amin’izay miezaka mafy sy mitolona mafy ka mandany ny fananany?

التصنيفات

Tombotsoan'ny ady masina