Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany

Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) renin'ny mpino silamo ary vadin'ny Mpaminany (S.A.W) : Fa i Mpaminany (S.A.W) dia niditra tamin'ny Itikaf nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, mandra-piverenany tany amin'I Allah, ary avy eo nanao Itikaf avokoa ireo vadiny tao aoriany.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nitatitra ny Renin'ny mpino Aisha (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao Itikaf fona nandritra ny folo andro farany tamin'ny Ramadany, nitady ny Laylat al-Qadr, ary nanohy izany mandra-pialany teto an-tany ary nanao Itikaf koa ireo vadiny taorian'ny nahafatesany.

فوائد الحديث

Azo atao ny Itikaf ao amin'ny moske, eny fa na dia ho an'ny vehivavy aza, eo ambanin'ny fanaraha-maso ara-dalàna sy amin'ny fepetra ho voaro amin'ny fakam-panahy.

Itikaf dia atao mandritra ny folo andro farany amin'ny Ramadany mba hitoetra tahaka nataon'ny Mpaminany (S.A.W).

Ny Itikaf dia Sonnah mitohy izay tsy nofoanana, satria ireo vadiny (R.A) dia nanao izany ihany koa tao aoriany.

التصنيفات

Ny I'tikaf