إعدادات العرض
Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka
Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka
Tatitra azo avy amin'i Abdollah Ibn Omar (R.A) : Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka" Niteny izy : "Ary i Abdollahi Ibn Omar (R.A) nanampy tamin'izany hoe : "Labaika Labaika, Wasaadaika, Walkhair biadika, Labaika Warraghbaa Ilaika Wal-Amal.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî සිංහල Русский Kiswahili Tiếng Việt অসমীয়া ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული ಕನ್ನಡ Moore Македонски ไทย Українська తెలుగు मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ پښتوالشرح
Ny talbiyah nataon'ny Mpaminany (S.A.W) rahefa te-hanao ny fombafomba amin'ny Hajj na omrah izy dia miteny manao hoe : (Labaikallaahoma labaika) dia valim-panontaniana tsy maintsy atao ho Anao aorian’ny famaliana izay niantsoanao anay momba ny fahadiovam-po, ny fanokanana an'I Allah, ny Hajj, sy ny zavatra hafa, (Labaika la sharika laka labaika) ianao irery no mendrika ho tompoina, tsy misy mpikambana Aminao amin'ny maha tompo sy Andrimanitra ary amin'ny Anaranao sy ny toetranao (Inalhamda) ny dera ary ny tso-drano (wanniimata) dia avy Aminao ary Ianao no Mpanome izany. (Laka) ny fihetsika rehetra dia ho Anao amin'ny zava-drehetra, (walmolko) ny fanjakana dia ho Anao koa, (La sharika laka) ka Anao irery izany. Ibn Omar (R.A) dia nanampy tamin'izany : (Labaika Labaika, Wasaadaika) ampifalio aho amin'ny fahasambarana aorian'ny fahasambarana, (Walkhair biadika) izany rehetra izany ary avy amin'ny fahasoavanao, (Labaika Warraghbaa Ilaika) ary ny fangatahana sy ny fitalahoana dia amin'izay eny an-tànany tsara, (Wal-Amal), fa ianao no mendrika ivavahana.فوائد الحديث
Ny maha ara-dalàna ny Talbiyah mandritra ny Hajj sy ny Omrah, ary ny fanamafisana izany; Satria io no teny filamatra manokana, tahaka ny takbir ny teny filamatra amin'ny Soalat.
Ibn al-Monir dia nilaza hoe : Ny maha-ara-dalàna ny Talbiyah dia fanairana momba ny voninahitr'I Allah ilay Tsitoha ho an'ny mpanompony, fa ny mpitsidik'izy ireo dia ao amin'ny Tranony dia manao fiantsoana avy Aminy avokoa, Voninahitra ho Azy.
Ny tsara indrindra dia ny mifikitra amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary tsy misy maharatsy ny manampy izany satria ny Mpaminany dia nanaiky izany ho fomba tsara indrindra. Hoy I Ibn Hajar : Ity no fomba tsara indrindra, noho izany dia nomaniny manokana izay nitranga tamin'ny raharaha natsangana, ary raha misafidy ny hilaza izay tonga ao anatin'ny toe-javatra mihantona izy na mamorona izany ho azy manokana, dia mety ny milaza izany irery mba tsy hisian'izany nifangaro tamin’ilay raharaha natsangana, ary mitovy amin’ny resaka fitalahoana ao amin’ny tashahhoda izany, satria hoy izy tao anatin’izany : “Aoka izy hifidy amin’ny fanontaniana izay tiany : izany hoe rehefa tapitra ny anarana.
Tsaratsara ny mampiakatra ny feo rehefa miteny ny Talbiyah, ary izany dia amin’ny lehilahy, fa ny vehivavy kosa dia tokony hampidina ny feony noho ny tahotra amin'ny fakam-panahy.
التصنيفات
Ireo lalàna mamehy ny IHRAM