إعدادات العرض
Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy
Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy. Ny mpino silamo dia rahalahin'ny mpino silamo namany; ka tsy anaovany ny tsy rariny izy, tsy avelany irery (rehefa mila azy), tsy andaingany, tsy ambanimbaniny. Ny fahatahorana an'I Allah dia ato, naveriny intelo izany, sady manondro ny fony izy miteny azy. Ampy mampiseho ny haratsiam-panahin'olona iray ny fanambaniany ny rahalahiny mpino silamo. Ny rehetra mikasika ny mpino silamo dia fady avokoa, tsy azon'ny mpino silamo kasikasihina : ny ràny (ainy) sy ny fananany ary ny haja amam-boninahiny.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português සිංහල Tiếng Việt অসমীয়া Kiswahili Nederlands ગુજરાતી Magyar ქართული Română ไทย తెలుగు मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ پښتوالشرح
Nanoro hevitra ny silamo hanao soa amin'ny rahalahiny silamo ny Mpaminany (S.A.W) ary nanazava ny sasany amin'ireo adidy sy fahalalam-pomba tsy maintsy ataony amin'izy ireo. Anisan'izany ny : Ny didy voalohany : Aza mialona amin'ny alàlan'ny fanirina ny hanjavonan’ny fahasoavan’ny sasany. Faharoa : Aza miady hevitra amin'ny alàlan'ny fampiakarana ny vidin'ny entana nefa izy tsy te hividy izany. Fa te hanasoa ny mpivarotra kosa izy, na hanisy ratsy ny mpividy. Ny fahatelo : Aza mifankahala, izany dia faniriana hanisy ratsy sy mifanohitra amin’ny fitiavana. Raha tsy hoe fankahalana noho Allah Tsitoha; Dia tsy maintsy atao izany. Ny fahefatra : Aza mifanome lamosina ianareo, izany dia fanomezana lamosiny ny rahalahiny avy eo dia misitaka azy. Ny fahadimy : Aza mivarotra ny entan'ny sasany amin'ny varotry ny sasany, izany dia amin'ny filazana amin'izay nividy entana iray: Manana zavatra mitovy aminy aho amin'ny vidiny ambany na tsara kokoa noho ny vidiny. Avy eo i Mpaminany (S.A.W) nanome didy feno hoe : Ary aoka ho tahaka ny mpirahalahy ianareo amin'ny fialana amin'ny fandrarana voalaza etsy ambony, ary amin'ny fanomezana fitiavana, fahalemem-panahy, fiantrana, fahamoram-panahy, ary fiaraha-miasa amin'ny hatsarana miaraka amin'ny fahadiovam-po, ary mifanome torohevitra amin'ny toe-javatra rehetra. Anisan’ny takin’ity firahalahiana ity ny : Tsy tokony hampahory ny rahalahiny silamo sy hamely azy izy. Tsy tokony hamela ny rahalahiny silamo ho voahitsakitsaka izy ary hamela azy hidina amin'ny toerana ahafahany manohana azy sy manala ny tsy rariny aminy. Ary mba tsy hanao tsinontsinona azy, hevero ho mahaleo tena izy, ary fijerena azy amin'ny fijery fanamavoana sy ny fanambaniana; ary izany dia vokatry ny fanambonian-tena. Dia nanazava in-telo ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fatahorana an'I Allah dia ao am-po, ary izay manam-patahorana ao am-pony izay mitaky toetra tsara, ny fahatahorana an'I Allah ary ny fitandremana Azy, dia tsy manao tsinontsinona ny silamo namany izy, ary ampy amin’ireo toetra ratsy sy faharatsian’ny fitondran-tena ny manao tsinontsinona ny rahalahiny silamo. Izany dia noho ny fanambonian-tena ao am-pony. Avy eo dia nanamafy ny Mpaminany (S.A.W) ny voalaza tetsy ambony fa ny zavatra rehetra voarara amin'ny mpino silamo amin'ny silamo hafa : ny ràny : amin'ny famelezana azy amin'ny famonoana na zavatra latsaka noho izany, toy ny fandrarana na kapoka sy ny toy izany, ary koa ny hareny : amin'ny fangalana azy tsy ara-drariny, ary toy izany koa ny voninahiny : amin'ny fanaratsiana azy amin'ny tenany na araka ny anarany.فوائد الحديث
Mandidy izay rehetra takin’ny firahalahiana amin’ny finoana, ary mandrara ny teny sy ny asa izay mifanohitra amin’izany.
Ny fototry ny fatahorana ao am-po dia amin'ny fahalalana an'I Allah, sy ny fatahorana ary ny fandinihana an’I Allah, ary izany toe-panahy izany dia miteraka asa soa.
Ny fiviliana hita miharihary dia manondro ny fahalemen'ny fatahorana amin'ny fo.
Voarara ny manisy ratsy ny silamo na amin’ny endriny rehetra na amin’ny teny na amin’ny fihetsika.
Tsy fialonana ny fitsiriritan'ny mpino silamo ny hitovy amin’ny hafa, nefa tsy maniry ny hanjavona n'y fahasoavana amin’ny hafa, ary izany no atao hoe fifaliana; Valisoa manampy ny olona iray hifaninana amin'ny asa tsara izany.
Ny olombelona araka ny natiora dia mankahala ny olona iray mihoatra azy amin'ny hatsaran-toetra rehetra. Raha tiany ny hanjavonan'ny fahasoavana amin'ny hafa, dia fialonana tsy azo atao izany, ary raha tia mifaninana izy, dia hahazo valisoa.
Tsy voasokajy mivarotra amin'ny fivarotan-drahalahiny ny hampisehoana amin’ilay mpividy fa voafitaka mafy izy tamin’ny fividianana izany; Anisan’ny takina amin’ny torohevitra izany, raha toa ka manoro hevitra ny mpividy namany ny fikasany fa tsy manisy ratsy ny mpivarotra, ary mifototra amin’ny fikasana ny asa atao.
Tsy voasokajy mivarotra amin’ny varotran-drahalahiny raha tsy mifanaraka ny mpivarotra roa ka tsy voalamina ny vidiny.
Tsy isan'ny fankahalana voarara ao amin’ny hadith : Ny fankahalana noho ny amin’I Allah, fa tsy maintsy atao ary anisan’ny fatorana mafy indrindra amin’ny finoana.