إعدادات العرض
“Ry olombelona, mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”
“Ry olombelona, mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”
Tatitra azo avy tamin'i Al-Aghar, izay iray amin'ireo mpiaradian'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ry olombelona, mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español Bahasa Indonesia Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français Kurdî Português සිංහල Русский Kiswahili Tiếng Việt অসমীয়া ગુજરાતી Hausa Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული ಕನ್ನಡ Moore Svenska Македонски ไทย తెలుగు Українська मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Mandidy ny olona hibebaka sy hikatsaka famelan-keloka betsaka ny Mpaminany (S.A.W), ary milaza ny momba ny tenany izy fa mibebaka amin'I Allah sy mangataka famelan-keloka mihoatra ny in-jato isan'andro, nefa efa voafafa ny fahotany teo aloha sy ny mbola ho avy, ary ao anatin’izany ny fanetren-tena sy ny fanompoana an'I Allah.فوائد الحديث
Ny olona tsirairay, na inona na inona voninahiny sy ambaratongany amin’ny finoana, dia mila miverina amin’I Allah, ary mameno ny tenany amin’ny fibebahana, ary ny olona tsirairay dia tsy afabela manoloana lesoka amin’ny fanatanterahana ny zon’I Allah, Niteny I Allah manao hoe : Mibebaha amin’I Allah avokoa ianareo ry mpino).
Amin’ny ankapobeny ny fibebahana, na avy amin’ny fanaovana fahotana voarara izany na noho ny fanaovana tsirambina ny adidy.
Ny fahadiovam-po amin’ny fibebahana dia fepetra iray amin’ny fanekena izany, ka izay miala amin’ny fahotana amin’ny hafa ankoatra an’I Allah dia tsy voasokajy ho mpibebaka.
Hoy i Al-Nawawi : Misy fepetra telo ho an'ny fibebahana : Miala amin'ny fahotana, manenina tamin'ny fanaovana izany, ary manapa-kevitra hentitra ny tsy hamerina toy izany intsony. Fa raha mifandray amin'ny olombelona ny fahotana, dia misy fepetra fahefatra, dia ny hoe : Mamerina sy mifona amin'izay nanaovanao azy, na mahazo fahafahana madiodio aminy.
Marihina fa ny fikatsahana famelan-keloka avy amin’ny Mpaminany dia tsy voatery ho noho ny fahotana vitany, fa noho ny fanompoany tanteraka sy ny firaiketam-pony amin’ny fahatsiarovana Azy, ary fahatsapany ny halehiben’ny zon’I Allah sy ny tsy fahatomombanan’ny mpanompo, na manao ahoana na manao ahoana, amin’ny fisaorana ny fahasoavany dia resaka lalàna ho an’ny vahoaka mandimby azy izany.