إعدادات العرض
“Mihainoa ary mankatoava, Eny tokoa, fa izy ireny no hanontaniana amin'izay nataony ary anareo hanontaniana amin'izay noentinareo
“Mihainoa ary mankatoava, Eny tokoa, fa izy ireny no hanontaniana amin'izay nataony ary anareo hanontaniana amin'izay noentinareo
Tatitra azo avy tamin'i Wael Al-Hadrami, niteny hoe : Nanontany an'ny Mpaminany - (S.A.W) i Salama bin Yazid Al-Ja'fi (R.A) manao : Ry mpaminanin’I Allah ô, raha misy mpitondra eo aminay, maka aminay ny amin’ny zony ary mandà tsy manome anay ny zonay, inona no handidianao anay? Dia niamboho izy, avy eo nanontany azy ihany, fa mbola niamboho izy, dia nanontany azy fanindroany na fanintelony. Teo dia nisintona azy i Al-Ash'ath ibn Qays ary niteny hoe : “Mihainoa ary mankatoava, Eny tokoa, fa izy ireny no hanontaniana amin'izay nataony ary anareo hanontaniana amin'izay noentinareo".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Português தமிழ் Nederlands অসমীয়া Kiswahili ગુજરાતી پښتو Română മലയാളം Deutsch नेपाली Кыргызча ქართული Moore Magyar తెలుగు Svenska Македонски ಕನ್ನಡ Українська Kinyarwanda Oromoo ไทย Српски मराठी ਪੰਜਾਬੀ Wolof دری አማርኛالشرح
Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) momba ireo mpitondra mitaky ny zony amin’ny vahoaka, toy ny fihainoana sy fankatoavana ary mandà ny zo tokony ho azy ireo,ohatra amin'ny fampiharana ny rariny, ny fizarana ny harena babo, ny famerenana zon'ny hafa sy ny fampitovina, ka inona no andidianao anay amin'izy ireo? Koa niamboho i Mpaminany (S.A.W); toy ny hoe mankahala ireo olana ireo izy, saingy niverina tany aminy fanindroany sy fanintelony ilay nanontany azy, ka i Al-Ash’ath ibn Qays (R.A) no nandresy lahatra ilay nanontany azy mba hangina. Namaly i Mpaminany manao hoe : Henoy izay lazainy ary ankatoavy ny didiny. Fa izy ireo no tompon'andraikitra amin'izay iampangana azy sy izay nanendrena azy, ny rariny sy ny fanomezana ny zo ho an'ny olom-peheziny, ary eo aminareo no iampangana anareo amin'ny fankatoavana, ny fanatanterahana ny zo ary ny faharetana manoloana ny olana sy ny fitsapana.فوائد الحديث
Ny baiko amin'ny fihainoana sy fankatoavana ny mpitondra amin’ny toe-javatra rehetra izay mahafaly an’I Allah ilay Tsitoha, na dia tsy manatanteraka ny zon’ny olom-peheziny aza.
Ny tsy fitandreman’ny mpitondra amin’ny adidiny dia tsy manala ny tsy fitandreman’ny vahoaka amin’ny adidiny ho setrin’izany. Tompon’andraikitra amin’ny asany ny tsirairay, ary tompon’andraikitra amin’ny lesoka.
Ny finoana dia tsy mifototra amin'ny fifampiraharahana, fa amin'ny fanoloran-tena amin'ny zavatra tsy maintsy atao, na dia tsy mahavita izay adidiny aza ny hafa, araka ny voalazan'ity hadith ity.