Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”

Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”

Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A), Niteny manao hoe : Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Ny Mpaminany (S.A.W) dia tia mankamaro ny Douan, amin'ireo douan mifono hatsarana betsaka ka isan'izany ny : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azàban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any ankoatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”. Tafiditra ao anatin’izany ny soa eto an-tany, toy ny vatsy mahafinaritra, ampy ary madio Halal, vady mendrika, zaza mahafatifaty ny maso, fialan-tsasatra, fahalalana mahasoa, asa tsara, sy ny hafa ankoatr'izany amin'ireo faniriana tsara sy mety, ary ny soa ny any ankoatra, toy ny fiarovana amin’ny famaizana any am-pasana, eo amin'ny fitsanganana, anaty afobe, fahazoana ny hafalian'I Allah, ny fandresena noho ny fahasovana mandrak'izay, ary ny fanatonana an’Ilay Tompo be famindram-po.

فوائد الحديث

Tsara ny manao douan amin'ireny Douan mifono hatsarana betsaka sy feno, ho fakana tahaka an'i Mpaminany (S.A.W).

Ny feno kokoa dia ny fanambarana douan ho amin'ny tsara eto an-tany sy any ankoatra, rehefa mangataka ny olona iray.