i Mpaminany (S.W.A) dia tsy mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy

i Mpaminany (S.W.A) dia tsy mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy

Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny : i Mpaminany (S.W.A) dia tsy mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari]

الشرح

Isan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.W.A) ny tsy fandavana ny ranomanitra nomena Azy, fa izay nomena Azy dia raisiny avokoa; satria izany dia maivana no sady tsara fofona.

فوائد الحديث

Fanekena ny fandraisana ny ranomanitra izay omena; Satria tsy mitaky hery amin'ny fitondràna azy ary tsy misy tsiny ihany koa ny amin'ny fandraisana azy.

Fahafenoan'ny hatsaran-toetra izay hanan'ny Mpaminany (S.W.A) no nahatonga ny tsy famerenany lay ranomanitra nomena Azy ary fanekena ny fanomezana izay nomena azy.

Ny famporisihana amin'ny fampiasana ny ranomanitra.