Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny". tsara indrindra amin'ny vadiny

Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny". tsara indrindra amin'ny vadiny

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny". tsara indrindra amin'ny vadiny."

[Tsara] [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad]

الشرح

Milaza i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona manampinoana feno indrindra dia izay manana toetra tsara indrindra, ary izany dia tazana amin'ny endrika madio, miezaka manao asa tsara, miteny tsara ary mihataka ny ratsy. Ny tsara indrindra amin’ireo mpino dia izay mendrika manoloana ireo vehivavy, toy ny vadiny, ny zanany vavy, ny anabaviny ary ny havany vehivavy. Satria izy ireo no tena mendrika hanehoana ny hatsarampanahy.

فوائد الحديث

Fahasoavan'ny fitondran-tena tsara ary tafiditra ho anisan'ny finoana izany.

Mifototra amin’ny finoana ny asa, ary ny finoana dia mitombo sy mihena.

Fanomezam-boninahitra ny vehivavy eo amin'ny finoana Islam ary famporisina ny fanaova,-tsoa amin'izy ireo.

التصنيفات

Ny fitondran-tena tsara, Ny fiaraha-miaina eo ampivady roa