إعدادات العرض
Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra
Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra."
الترجمة
العربية Bosanski English فارسی Français Русский हिन्दी 中文 ئۇيغۇرچە Bahasa Indonesia اردو Kurdî Português دری অসমীয়া Tiếng Việt አማርኛ Svenska ไทย Yorùbá Кыргызча Kiswahili ગુજરાતી Hausa नेपाली Română മലയാളം Nederlands Oromoo සිංහල پښتو తెలుగు Lietuvių Kinyarwanda Türkçe ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართულიالشرح
Nazavain’ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa izay rehetra manarona ny saina sy mamery azy dia toaka mahamamo, na zava-pisotro izany, na sakafo, na fohana, na hafa ankoatr'izany, ary izay rehetra mahamamo sy mamery saina dia noraran'I Allah sy nosakanany, na kely aminy na betsaka, Ary izay rehetra nisotro ireo karazana zava-mahamamo ireo ka nanohy nisotro izany ary tsy nibebaka mandra-pahafatiny; dia mendrika ny hahazo famaizan’I Allah izy, ka tsy hisotro izany ao amin’ny Paradisa.فوائد الحديث
Ny antony nandrarana ny toaka dia noho izy mahamamo,ka izay rehetra mahamamo, na inona na inona ny karazany dia voarara avokoa.
Noraran’I Allah ny toaka. Noho ny fahavoazana lehibe sy ny faharatsiana ao anatiny.
Ny fisotroana toaka ao amin'ny Paradisa dia isan'ny mameno ny fahafinaretana sy ny fahasambarana tanteraka.
Izay tsy nahafehy ny tenany tamin'ny fisotroana toaka teto an-tany dia horaran'I Allah tsy hisotro izany izy any amin’ny Paradisa, satria mitovy karazana amin’ny asa ny valisoa.
Famporisihana mba hibebaka amin'ny fahotana mialohan'ny fahafatesana.
التصنيفات
Ireo zava-pisotro voarara