Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat

Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat, Hoy ireo mpiara-diany : Na dia ady masina aza? Namaly izy hoe : Eny! Na dia ady masina aza! Afa tsy hoe : Olona iray nivoaka niaraka tamin’ny harenany sy ny vatatenany namonjy ady masina ka tsy niverina intsony".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari]

الشرح

Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa soa amin'ny folo Andro voalohany amin'ny volana Zhol-hijjat no tsara indrindra mihoatra ny asa soa atao amin'ny andro rehetra amin'ny taona iray. Ary nanontany an'i Mpaminany (S.W.A) ireo Mpiara-diany mahakasika ny ady masina amin'ny fotoana hafa ankoatra ireo folo andro ireo, moave tsara sa ny asa soa atao amin'ny andro folo ireo? Nefa fantatra fa ny ady masina no asa mendrika indrindra amin'ny islam. Dia namaly i Mpaminany (S.W.A) hoe : Ny asa soa atao amin'ny folo andro voalohany ireo no asa tsara indrindra mihoatra ny ady masina amin'ny andro hafa, afa-tsy hoe lehilahy iray izay nivoaka nanao ady masina niaraka amin'ny tenany sy harenany amin'ny làlan'ny tompo Allah, ka tsy misy tafaverina ny harenany ary niala ny fofonainany amin'ny làlan'i Allah. Fa izay ihany no asa soa mendrika sy lehibe mihoatra ny asa soa atao amin'ity folo andro voalohany ity.

فوائد الحديث

Fahasoavan'ny asa soa amin'ny Folo Andro voalohany Zhol-hijjat , ka tokony amin'ny Mpino Islamo tsirairay ny manararoatra amin'ireo Andro ireo ary manabetsaka ny fankatoavana ny Tompo, amin'ny fahatsiarovana Azy, sy ny famakiana ny Boky masina Koroany, fanaovana Takbir sy Tahlily sy Tahmìd, ary ny Soalat sy fanomezana Soadakat ary ny fifadian-kanina sy ny asa soa rehetra.