“Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy: Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo

“Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy: Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo

Tatitra azo avy tamin'i Ka'ab Ibn O'jrata (R.A), nteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy: Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Nolazain'ny Mpaminany ireo tonombavaka izay tsy hahavery na hanenenana ny miteny izany, fa hahazo valisoa amin'ireo teny ireo, ary ny sasany dia manaraka ny sasany, ary vakina izany aorian'ny Soalat dimy dia: “Sobhànallah - Voninahitra ho an’Allah - in-telo amby telopolo, izany hoe fiderana an'Allah manalavitra ny tsy fahalavorarina sy ny tsy fahampiana. Ary "Alhamdo lillàhi - fisaorana an'Allah - in-telo amby telopolo, izay famaritana an’Allah amin’ny fahafenoana tanteraka miaraka amin’ny fitiavana sy fanomezam-boninahitra Azy. Ary "Allaho Akbar - Allah no lehibe indrindra - in-efatra amby telopolo, fa lehibe Allah sy Be voninahitra ary Mahery noho ny zavatra rehetra.

فوائد الحديث

Ny fahasoavana azo amin'ny fiderana sy fisaorana ary fanomezam-boninahitra an'Allah, izany ireny no asa soa maharitra.