nampandainga ahy ny zanak’i Adama nefa tsy manan-jo amin'izany izy, ary nanompa ahy izy nefa tsy manan-jo amin'izany

nampandainga ahy ny zanak’i Adama nefa tsy manan-jo amin'izany izy, ary nanompa ahy izy nefa tsy manan-jo amin'izany

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Hoy Allah: nampandainga ahy ny zanak’i Adama nefa tsy manan-jo amin'izany izy, ary nanompa ahy izy nefa tsy manan-jo amin'izany, Koa ny fandaingana nataony, dia ny fitenenany hoe : Tsy hahavita hamerina ahy tahaka ny namoronany ahy Izy (Allah), ka tsy ny famoronana tamin'ny voalohany ve no sarotra kokoa noho ny mamerina izany, ary ny fanompana Ahy kosa dia ny fitenenana hoe : Allah naka zazalahy ho zanaka, nefa Izaho irery no hatrizay ary tokana, tafandrain'ny rehetra, sady tsy niteraka, na nateraka, ary tsy misy mitovy amiko".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari]

الشرح

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny Hadith Qodsì fa Allah Tsitoha nilaza tamin'ireo mpanompo sampy sy ireo mpikomy fa izy ireo dia mampandainga Azy sy milaza Azy ho manana fahabangana sy kilema, nefa tsy mendrika azy ireo ny hiteny izany. Fa ny fampandaingasana kosa ataon’izy ireo aminn’Allah :Dia ny fiheveran’izy ireo fa tsy hamerina azy ireo intsony Allah aorian’ny fahafatesany, tahaka ny namoronany azy ireo tamin’ny voalohany izay niainga avy tamin'ny tsy fisiana, ka namaly azy ireo I Allah fa Ilay namorona tamin’ny tsy fisiana dia afaka mamerina azy ireo, ary izany no mora kokoa aza , ary raha ny amin’Allah dia mitovy lenta aminy ny famoronana sy ny famerenana ny zavatra amin'ny laonany. Ary I Allah manana fahefana ny zava-drehetra. Ny amin’ny fanopan'izy ireo Azy : dia ny fitenenan’izy ireo hoe : manan-janakalahy Izy, ka novaliany fa Izy no tokana amin’ny fahafenoana rehetra amin’ireo Anarany, amin’ny Toetoetrany ary amin’ny Asany, tsy misy kilema sy tsy fahampina, Ilay irery hitoetra mandrakizay tsy mila na iza na iza, fa ny rehatra dia mila Azy, ary tsy mba rain’iza na iza Izy, ary tsy mba zanak’iza na iza, ary tsy nisy tahaka Ahy, na mitovy aminy, ny voninahitra ho Azy.

فوائد الحديث

Porofo amin'ny fahafenoan'ny herin’Allah ilay tonga lafatra.

Porofo ny fisian'ny fitsanganana amin’ny maty aorian’ny fahafatesana

Izay mandà ny fitsanganana amin’ny maty na ny milaza fa manan-janaka I Allah dia tsy mpino

Allah ilay Tsitoha dia tsy misy mitovy na sahala aminy.

Ny halehiben’ny faharetan’Allah, Voninahitra ho Azy, ary ny fanomezany fotoana ho an’ireo tsy mpino, angamba izy ireo mba hibebaka sy hiverina aminy.