“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ozò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah

“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ozò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah

Tatitra azo avy tamin'i Ali (R.A) niteny hoe : Izaho rehefa mandre Hadith avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) nosoavin'i Allah aho amin'izany araka ny hitiavany hanasoa ahy aminy, ary raha misy iray amin'ireo mpanaradia azy milaza Hadith amiko dia asaiko mianiana aloha izy, ka rehefa nianiana izy dia hinoko izay lazainy, ary tena nilaza tamiko i Abo Bakri, ary i Abo Bakri dia marina, niteny izy : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ozò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah", avy eo izy namaky ity andininy masina ity : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany} [Ãl Imran: 135].

[Sahih/Authentic.] [Abu Dawood]

الشرح

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy mpanompo nanota, ka manao ozò tsara, avy eo mitsangana manao soalat roa raka't miaraka amin'ny fikasana hibebaka amin'ny fahotany, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin'Allah dia hamela azy Allah. Avy eo dia namaky ny tenin'Allah ilay Tsitoha ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany; iza moa no mamela heloka afa-tsy Allah? Ka tsy hamerina intsony izay nataony izy ireo, fa efa fantatr'izy ireo izany} [Ãl Imran: 135].

فوائد الحديث

Famporisihana hivavaka soalat ary avy eo mitady famelan-keloka aorian’ny fahotana.

Ny haben’ny famelan’Allah ilay Tsitoha ary ny fanekeny ny fibebahana sy ny fitadiavana famelan-keloka.